Voatery nanazava ny toerany anatin’izao safotofoton-draharaham-pirenena izao ny ankolafy zafy omaly.
Vao maika mipatitaka ny ankolafy rehefa atomotra ny fifidianana. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera, Razanamasy Yves, fa tsy manana ary tsy nanolotra kandida ny ankolafy Zafy, mandeha amin’ny anarany manokana ireo izay nilaza fa hirotsaka. Ankoatra an’i Tabera Randriamanantsoa izay nirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny anaran’ny antoko Kintana anefa dia lasa nanohana an’i Edgard Razafindravahy ny tarik’i Lalatiana Ravololomanana. Milaza ny ankolafy Zafy fa ny FFKM no lalana, ary manaiky ny hevitry ny FFKM izy ireo ary mankahery ny JMZ (Tanoran’ny ankolafy Zafy Albert), hoy ny filohany Tombondrazana Dominique, hanohizany ny fampihavanam-pirenena ataony izay tena andrandrain’ny Malagasy tsy vakivolo ivoahana amin’ity krizy mahazo antsika ity. Nanamafy ny JMZ, fa ny fitsapan-kevi-bahoaka hifidianana lalàmpanorenana vaovao no tokony hatao mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Manahy ny ankolafy Zafy fa hampisy korontana fifidianana io raha mbola mikiry manatanteraka an’io fifidianana filoham-pirenena mialoha io ireo tompon’andraikitra mahefa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.