Mifanohana tanteraka ireo ankolafy TIM isan-tsokajiny eny amin’ny Boriborintany faha-6 amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka eny amin’ity faritra ity.
Koa tamin’ny faran’ny herinandro faran’ny taona 2016 lasa teo iny ary, dia nifarimbona nanotrona sy nanome tanana ny FOKOTOTIM Ambodimita tamin’ny fizarany fanomezana fanampiana samihafa niatrehan’ny vahoaka teny an-toerana ny fetin’n y faran’ny taona 2016 na ny solombavambahoaka voafidy teny an-toerana , Rasoanoromalala Horace, izay sady anisan’ireo lohandoham-pisorona mitarika ny antoko TIM eny Ambohimanarina eny, na ireo mpikamba Distim 6è notarihan’ny filohany, na ny solontenan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6 izay mpikambana TIM ihany koa. Nivoitra teny Ambodimita tamin’io fotoana io ny fampanantenana nomen’ity FOKOTIM Ambodimita ity fa ho tazomin-dry zareo hatrny amin’ny 2018 ny maha-lohany azy ireo eo amin’ny fididianana hiseho eto amin’ny firenena noho ny fanarahana tsara ny toromarika avy amin’ny filohan’ny antoko Marc Ravalomanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.