Hipoka tanteraka ny kianjan’i Magro Behoririka ny sabotsy teo. Ireo rehetra nandaha-teny dia samy nanamafy fa tsy hiditra amin’ny governemanta Beriziky raha toa ka mbola taritokana no handrafetana izany.
Tsy hiray tsikombakomba amin’ny fandetehana ny firenena izahay, hoy ny filohan’ny Filankevi-paritr’Ihorombe, Rostand Andriampilamanana. Mikatso ny raharaha, hoy ny depiote Henri Randrianjatovo satria mitady hanao fanaparam-pahefana i Andry Rajoelina sy ireo manodidina azy. Izany indrindra no hiantsoany ny fianakaviambe iraisam-pirenena handray andraikitra dia ny fampiharana ny andininy faha-43 ao amin’ny sori-dalana dia ny fanasaziana ireo sakana amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana. Araka ny fanazavan’ny depioten’Ankazobe teo aloha, Mamitiana Ravelonanosy, matoa tsy manaiky ny hampihatra ny sori-dalana i Andry Rajoelina dia misy zavatra atahorany ao. Anisan’ireny ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana, eo koa ny tahotra ny Ankolafy telo. Notsindrian’ny solombavambahoakan’i Brickaville, Leriva Manahirana, fa raha nifampiantso tamin’ireo raimandreny nifampidinika teny amin’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny tenany ny tolakandron’ny sabotsy dia mazava ny resaka fa “tsy hilefitra ny Ankolafy telo”.
Vokany, raha ny fanazavana dia tsy mbola misy fivoarana ny toe-draharaha tamin’io fotoana nifampiantsoana an-tariby io, tsy mbola nivaha ny olana. Anisan’ny hiadian’ireo delegasiona mafy ny hihazonana ireo olona natolotry ny ankolafy, tsy hisy hiala fa hipetraka amin’ny toerana hanendrena azy ireo. Tetsy andanin’izany, araka ny vaovao nampitain’i Guy Maxime Ralaiseheno dia manamafy i Etazonia fa manohana hatrany ny ezaka fitadiavam-bahaolana tarihin’ny SADC-Troika ny bekintana, eo koa ny tsy fankasitrahana ireo minisitra efa fantatra fa nanao fitantanana tsy mazava nefa tadiavina mbola hampidirina anatin’io governemanta vaovao io. Ankoatra izany dia nohamafisina ny tsy maintsy hisiana fifandanjam-pahefana amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana. Notsindrian’ny Ben’ny tanàn’Ankaraobato moa fa vanim-potoana manokana no misy antsika amin’izao ka heveriny fa ny fananganana governemanta tsy eken’ny rehetra dia midika ho fanesorana an’i Andry Rajoelina. Momba ny olan’ny Jirama indray dia nambarany fa diso tafahoatra loatra ny fihinanam-bola ao amin’ity orinasa ity ka ny vahoaka no lasa mibaby ny vokany amin’ny alalan’ny delestazy.
Mikasika ireo mpiasam-panjakana ambony nanao fanambarana tao amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary kosa dia ambaran’i Guy Maxime Railaiseheno fa tsy anjaran’izy ireo ny fanaganana governemanta. Nambaran’ireo nandaha-teny aza moa fa dia anisan’ny tompon’andraikitra amin’izao zava-misy izao ireo sokajina mpiasam-panjakana ireo satria tsy nandray andraikitra. Nibirioka ny manampahaizana Malagasy, hoy ireo nikabary tetsy amin’ny Magro. Samy nanao antso avo tamin’ny praiminisitra Beriziky avokoa ireo nikabary ny amin’ny tokony handraisany andraikitra, amin’ny hamoahana ny gadra politika sy ny fampodiana ireo sesitany ary ny famahana ireo haino aman-jery rehetra nakatona. Samy nilaza koa ny rehetra fa dia vonona hanohana hatrany ny praiminisitra amin’izay fanatanterahana ny andraikiny izay.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.