Politique

Ankolafy telo sy V6 Nampitovy tadin-dokanga


  • Talata 13 Septambra 2011

Nitohy teny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona Analamahitsy omaly ny fihaonana teo amin’ny Ankolafy telo sy ny V6, mpanao sonia ny Dina Repoblikanna, taorian’ny dinika savaranonando tao amin’ny Villa Elisabeth Ivandry ny zoma 09 septambra teo.

 Tsy nisy nanao fanamarihana rahateo taorian’iny fihaonana voalohany iny na avy amin’ny andaniny na avy amin’ny ankilany ka nilaza fa tsy mahasolotena ny vondrona na ankolafy tsarairay ny mpandray anjara tao. Taorian’ny dinika sy adihevitra naharitra andim-pamantaranandro telo mahery teo omaly, nampitoviana ny tadin-dokanga dia nanapaka ireo mpivory fa iaraha-manaiky ny fiaraha-mitantana aorian’ny fanasoniavana ny sori-dalana. Tanterahana avy hatrany ihany koa ny fampihavanam-pirenena sy ny famotsoran-keloka ary ny famoahana ireo gadra politika sivily sy miaramila rehetra aorian’izay.

Tokony hojerena akaiky ihany koa ny lalàna fenitra mifehy ny tetezamita aorian’io sonia io. Nifanaiky fa ekena ny fodian’ny filoha Didier Ratsiraka tsy misy hatak’andro ary averina aminy ny zony maha filoha teo aloha azy. Ekena ihany koa ny fodian’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Takiana ny hamoahan’ny solontenan’ny Troïka ny tondrozotra nasiam-panovana farany izay hatao sonia. Ankoatra izay dia napetraka fa tsy maintsy miezaka ny vondrona 11 mitady vahaolana ahazoana mivoaka amin’ny krizy sy hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ka tondrozotra mifanandrify amin’io no hosoniavina.

Takian’izy ireto ihany koa ny hanaovana ny CFM ho rafi-panjakana. Nifanaraka koa ny teny Analamahitsy ny hanendren’ny Ankolafy telo ny praiminisitry ny tetezamita tena izy. Araka ireo rehetra ireo dia fepetra sy marimaritra niraisana farany tapak’ireto V9 ireto ny tsy fankatoavan’ny Ankolafy telo delegasiona hafa afa-tsy ny V6 nanao sonia ny Dina Repoblikanina, izay nanaraka akaiky ny fivoriana tao Gaborone, tetsy Ivandry ary io tao Analamahitsy io, ireto farany indray no hanao tatitra ny fihaonana amin’ny TGV sy ny UDR-C hahafahana manitatra ny mpidinika. Noraketina an-tsoratra ireo fotokevi-dehibe valo niraisana teny Analamahitsy, ary nosoniavin’ny mpitarika ireo vondrona mpandray anjara isanisany avy.

 

Manohy

 

Sary : Fanaovan-tsonia ny firaketana an-tsoratra teny Analamahitsy (sary : Rakotobe Michel)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT