Politique

Ankolafy telo Mitaky ny hampiharana izay tapaky ny iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2011


 “Mahantra, tsy misy mpiahy ny vahoaka ary miraviravy tanana”, hoy ny depiote teo aloha Ravelonanosy Mamitiana teny amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy, “ka miangavy ny iraisam-pirenena mba hampihatra haingana ny tapak’izy ireo miampy ny fananganan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny Pr Zafy Albert. Miantso ny FFKM, ny tafika sy izay afaka hanampy amin’ny fanatanterahana izay tapaka mba hiara-hiasa ka hiasa haingana”, hoy izy.

I Manandafy Rakotonirina kosa no nanambara fa efa mandeha ny resaka fa eto no hatao ny fihaonan’ireo filohan’ny Ankolafy, ka “mila manery ny hahaterahan’izany isika” hoy izy. Midika izany hoy ny Printsy Elakovelo fa “tsy azo ailika ny Ankolafy telo” ary rehefa zavatra eken’ireo filoha telolahy dia zavatra hanasoa ny vahoaka, hoy izy. Tsindrim-paingotra no nataon’ny Printsy Elakovelo fa tsy io Afrobasket io no hitondra fankatoavana iraisam-pirenena. “Ny Amiraly no nanamboatra ny Lapan’ny fanatanjahantena nefa voalaza fa tsy nahavita n’inona n’inona. Ny foto-drafitrasa rehetra teto dia ny Ankolafy telo no nanao azy”, hoy ihany ity Printsy ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT