Politique

Ankolafy telo Handefa delagasiona hihaona amin’i Jacob Zuma


  • Alakamisy 24 Novambra 2011


 Taorian’ny taratasy nalefan’ny ankolafy telo any amin’ny filoha am-perinasan’ny Troika-SADC sady filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma, miantso ny fandraisan’andraikitra sy ny fanelanelanan’ity farany manoloana ny fandikana ny fampiharana ny tondrozotra ataon’ny filohan’ny tetezamita, izay hita nibaribary tamin’ny fananganana governamanta farany teo, dia fantatra fa hisy delegasiona hihazo an’i Afrika Atsimo hihaona mivantana aminy. Omaly no efa tokony ho niainga io delegasiona io, fa “misy fandaminana kely” no tsy mbola nandehanany, araka ny fanazavan’ny mpitarika iray eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana. Araka ny loharanom-baovao ihany dia nisy fihaonana nivantana teo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha Jacob Zuma omaly, ka miankina tamin’io ity dian’ny delegasiona hihazo an’i Afrika Atsimo ity.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT