Politique

Ankolafy telo Fifandanjam-pahefana ihany


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Samy miandry izay hateraky ny governemanta Beriziky ny rehetra. Ny hetsika etsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka moa dia mitohy tsy tapaka hatrany na dia niditra ao anatin’izany governemanta izany aza ny Ankolafy telo.

 Ankolafy telo izay mitaky ny fifandanjam-pahefana ao anatin’io governemanta ho avy io. «Vanim-potoana manokana no misy antsika amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy fifandanjam-pahefana eo anivon’ireo rafitra rehetra hajoro vao ho tratra ilay antsoina hoe : ‘neutralité positive’”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno. Raha tsy tafapetraka izay fifandanjam-pahefana izay dia tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina no hapetraka na ilay antsoina hoe TSAR. Hentitra aza moa ny filazan’ny lehiben’ny delegasiona Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo, fa manosika ny ankolafy misy azy hivoaka ny fifanarahana ny tsy fahatanterahan’io fifandanjam-pahefana io. Nohamafisin’ i Guy Maxime fa tsy mitombina ny filazana fa filohan’ny Repoblika i Andry Rajoelina satria tsy nisy nifidy ary tsy nisy fifidianana nametraka azy ho filohan’ny Repoblika teto. Ankoatra izay, araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity dia mason-tsivana maro no nojerena, araka ny tanjon’ny ankolafy, ka nisafidianana ireo kandidan’ny ankolafy telo naroso ho an’ny governemanta Beriziky. Tanjona napetraky ny ankolafy Ravalomanana moa ny fampodiana tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana sy ny fampandaniana azy ho filohan’ny Repoblika indray, amin’ny alalan’ny “Premier Tour dia Vita”. Izay no nitondrana ny fisafidianana ireo kandida, araka izany. Tsy ny rehetra no hahazo toerana, hoy izy fa ireo tanjona napetraka ireo no niaingan’ny sivana. Anjaran’ny vahoaka kosa sy ireo mpitarika tsy nahazo toerana ny manara-maso ny asan’ireo kandida, na minisitra na parlemantera na koa ireo any amin’ny rafitra hafa raha toa ka mifanaraka amin’ny tanjona napetraka na tsia. Ho an’i Guy Maxime Ralaiseheno moa, manomboka izao dia tsy hisy toerana ho an’ireo mpanao politika maloto sy ireo mpamadika tanindrazana intsony.

Nangonin’i Soa

Sary : Ralaiseheno Guy Maxime

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT