Politique

Ankolafy Ravalomanana Vonona amin’ny fifidianana


  • Zoma 30 Martsa 2012

Anisan’ireo nanamarika ny 29 martsa ny ankolafy Ravalomanana. Nisy ny fanaterana fehezam-boninkazo ho mari-pahatsiarovana ireo tia tanindrazna teny Ambohijatovo, notarihin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo omaly tolakandro.

 Avy eo dia nidina an-tongotra nilamina ireo vahoaka nihazo an’ny Magro Behoririka. Sambany no tsy nisy ny fifandonana tamin’ireo mpitandro ny filaminana raha nisy ny fidinana an-dalambe toy ireny. Mifanindran-dalana amin’izay hoe maherifon’ny firenena izay dia notsaroan’ireo teny an-kianja omaly alakamisy 29 martsa, ireo rehetra namoy ny ainy sy naratra tamin’izao tolona fitakiana famerenana ny ara-dalàna izao. Iray amin’ireo namoy ny ainy ny 28 martsa 2009, Rakotondrabe Lazatiana, 21 taona, voatifitr’ireo miaramila teo amin’ny handriny teo Ambohijatovo.

Araka ny fanazavana dia niezaka naka ny basy izay saika nitifiran’ireo miaramila ireo mpiara-mitolona i Lazatiana kanefa dia notifirin’ilay miaramila. Manontany moa ireo mpitolona ny amin’izay niafaran’ny fitsarana ireny raharaha ireny. Tetsy andanin’izay kosa, raha nandaha-teny ny Me Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, omaly, dia nilaza fa mivonona mandrakariva amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana. Anisan’ny toromarika nomeny ny hoe izay kandida hatolotry ny filoha Ravalomanana ihany no holaniana. Ankoatra izay dia nambarany fa anisan’ny foto-diany tany Afrika Atsimo farany teo ny fanaovana tatitra ny dinika niarahana tamin’ny Troika-SADC teto Madagasikara farany teo.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT