Politique

Ankolafy Ravalomanana Vaky i Fianarantsoa


  • Alatsinainy 18 Martsa 2013

Ela ny ela ! Raha nisary zoro in-telo niantoana tao Fianarantsoa ny Tiako I Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana tao anatin’izay efa-taonan’ny krizy izay, noho ny hery famoretana sy ny fanenjehana ary fanaovana hazalambo ireo zanak’i Dada, nataon’ny mpitondra ao an-tanàna dia vaky ny sehatra tamin’ity indray mitoraka ity.

 Nanao rodobe tany an-toerana nanome hery ireo mpiara-mitolona any Matsiatra Ambony ny ankolafy Ravalomanana sy ny Tiako I Madagasikara foibe, notarihin’i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana no Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara rahateo. Nitety ireo Distrika manodidina izy ireo nandritra ny herinandro ka tao Ambalakely, Distrika Lalangina no namaranana ny manodidina ny sabotsy 16 martsa, nialoha ny niakarana an’i Fianarantsoa tampon-tanàna. Feno hipoka tao amin’ny Royal Espace nampiantrano ny hetsika io sabotsy io. “Manana adidy ny ankolafy Ravalomanana hanambatra ny hery ary isika no hisantatra voalohany ny fampihavanam-pirenena satria manatanteraka tondrozotra isika”, hoy Rarison Hilarion mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sady mpampiantrano ny hetsika rahateo, miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rakotonomenjanahary Jean Ernest.

Nanamarika ity hetsiky ny ankolafy Ravalomanana tao Fianarantsoa ity koa ny fandraisan’anjaran’ireo olom-boafidy Tiako i Madagasikara taloha sy ireo mpikambana nisintaka nefa tapa-kevitra ny hiverina, toy ny minisitry ny fizahantany teo aloha ary mpikambana ankehitriny ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rina Andriamandavy VII, ity farany izay zanaky ny faritra rahateo. Toy izany koa ireo depiote Tiako I Madagasikara roalahy voafidy toa Fianarantsoa tamin’ny 15 desambra 2002 dia i Philippison Gérard Aimé sy Randriambovonjy Jean de Dieu, niaraka tamin-dRakotoarisoa Andrianirina Marie Bruno, depiote nandimby toerana an’i Yvan Randrisandratriniony taorian’ny fifidianana tamin’ny 2007, ...

Midika io fa dia miverina amin’ny heriny ny antokon’ny filoha teo aloha. Niverimberina tamin’ny kabary nifandimbiasana fa “vao mijoro ny ankolafy Marc Ravalomanana dia mangovitra ny mpitondra fanjakana, misandratra ny ankolafy Ravalomanana, mitsangam-bolo ireo mpanongam-panjakana koa barakay ny fitondran-dRajoelina”. Nohavaozin’ireo mpikatroka nameno trano tamin’io fotoana ion y fanohanany an’i Marc Ravalomanana. “Tsy miala amin'i Dada i Matsiatra Ambony, ary miandrandra ny fiverenany hampandroso an’i Madagasikara indray fa hafa iahany i Dada. Ny efa-taona aza andrinay koa maika ve ny herinandro sisa”. Niarahaba manokana an-dRtoa Lalao Ravalomanana tonga an-tanindrazana koa izy ireo, ary nilaza fa “ny agny ivelany aza hipody ka ny aty indray ve ro havositra ? Sagnatria !”

Nanome voninahitra ity hetsiky ny ankolafy Ravalomanana tao Fianarantsoa ity ireo parlemanteran’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana toa an-dRandrianjatovo Henri François, Ralaiseheno Guy Maxime, Ralampisainarinony Manoela, Raharimampionona, Ravololofanja Aurélie, Rajaonson Mamy, Rakotomandimbindraibe Mamisoa, sy fikambanana samihafa. Nanotrona ihany koa ireo mpikambana Arema sy ny avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ao an-toerana.

Jean D.

 

Hetsiky ny ankolafy Ravalomanana tao Ambalakely Distrikan’i Lalangina

Encadré

Hanao hetsika fanoherana ny politikan’ny Frantsay ny Zanak’i Dada manomboka anio alatsinainy 18 martsa ary hitohy hatramin’ny 29 martsa. Nampahatsiahivina tao amin’ny Magro Behoririka koa ny sabotsy teo fa dia hatramin’ny 31 martsa ny FAT hanatanterahana ny tondrozotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT