Politique

Ankolafy Ravalomanana «Tsy mpikambana ao anatiny ny PSD»


  • Alarobia 29 Aogositra 2012

Niteraka resabe teo amin’ny tontolo politika ny fiovana filoha nasionaly teo anivon’ny antoko PSD (Parti Social Démocrate) izay lasa tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina, ity farany izay nitarika ny ankolafy Ravalomanana teo aloha.

 Misy karazana fifamahofahoana sy fifangaroana naterak’izany. Araka ny fanazavana re tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly dia ny TIM, ny MFM, ny Teza ary ny AMF/3FM miampy ireo fikambanana isan-tokony no mivondrona ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana, izany hoe tsy ao ny antoko PSD. Raha ny fanazavana ihany dia iray tamin’ireo senatera 11 notendren’i Marc Ravalomanana tamin’ny naha filoha azy i Ruffine Tsiranana ka izay no mahatonga azy ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana fa tsy ny antokony tsy akory. Raha hiara-kiasa amin’ny ankolafy Ravalomanana anefa ny antoko PSD dia azo atao izany, rehefa misy ny fifampidinihana eo amin’ireo mpitarika, hoy i Zafilahy Stanislas.

Ny ankolafy Ravalomanana dia tarihin’i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina ary Roland Ravatomanga. Tetsy andanin’izay, momba ny soso-kevitr’i Monja Roindefo ny amin’ny tsy tokony hilatsahan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana hofidiana dia tsotra ny valin-tenin’ny ankolafy Ravalomanana. «Anisan’ireo nanongam-panjaka i Monja Roindefo, nitarika ny olona hanafika lapam-panjakana ary iray amin’ireo 109 voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha ny fifanarahan’i Cotonou dia tsy tokony hahazo hilatsaka hofidiana na izy na i Andry Rajoelina satria samy mpanongam-panjakana», hoy ny tetsy amin’ny Magro. Raha hisy ampahan’olona mbola voailika anefa dia tsy hisy fifidianana vanona ka izany no nandeferan’ny ankolafy Ravalomanana ka aleo ny vahoaka no hitsara.

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT