Miady hatramin’ny farany amin’ny fampiharana ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana, ary nanambara ireo andininy tsy mbola mihatra hatramin’izao nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’Atoa Joaquim Chissano omaly, izay naharitraritra ihany.
Tsy mbola tanteraka ohatra ny fampiharana ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ary ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT tamin’ny 2009 sy 2010. Ankoatra ny fifampiresahana dia narahana antontan-taratasy ihany koa ny dinika tamin’i Joaquim Chissano ka nisy ny lisitr’ireo haino aman-jery nakatona nandritra ny tetezamita nomena azy.
Araka ny nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa dia tsy mbola niova hatramin’izao ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana fa dia mila ampiharina manontolo ny tondrozotra, ka avela mody malalaka eto ny filoha Marc Ravalomanana. Ekena mihitsy fa efa niteny ity farany fa hoe tsy hiverina eto Madagasikara aloha raha tsy vita ny fifidianana, saingy tsy midika velively izany fa ampanginina hatreo ny fampiharana ilay andininy faha-20, hoy ny Me Hanitra. Nomarihan’ity farany ihany koa fa mba nahagaga ihany ny fehin-kevitra navoak’ilay komity manaramaso ny fampiharana ny tondrozotra na CSC, izay toa te hilaza fa tsy mahamaika intsony ny fampiharana ilay andininy faha-20. Tsy mbola nifampiresahana tsara tamin’ny ankolafy Ravalomanana akory anefa izany fa tonga dia navoaka maimaika fotsiny ilay fanambarana.
Hotsarain’ny tantara
Matoky ihany koa ity ankolafy ity fa handray fanapahan-kevitra hendry ny CES na ilay fitsarana manokana momba ny fifidianana ka handray sy hanaiky ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana, ka ho tanteraka tokoa ilay hoe fifidianana madio sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara, araka ny voasoratra ao amin’ny tondrozotra. Efa tena nandefitra tamina lafin-javatra maro ny ankolafy Ravalomanana, noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Nanaiky ny tsy ho kandida ny filoha teo aloha, ary nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fehin-kevitra tapaka tamin’ireo fihaonana maro samihafa namahana ny krizy.
Ankehitriny kosa anefa dia tsy azo hoeritreretina ho an’ity ankolafy ity ny hoe ho sakanana tsy hahazo handray anjara amin’ny fifidianana indray ny kandidan’izy ireo. Araka ny efa nambarany dia tsy hanaiky izay fifidianana atao eto ny ankolafy Ravalomanana raha ailika ny olona natolony hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny sehatra iraisam-pirenena anefa dia efa nilaza fa ilaina ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fifidianana. Nilaza ihany koa ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Beatrice fa afaka mandray anjara amin’io fifidianana io ny rehetra, fa manahirana izany fifidianana misy fanilikilihana izany. Goavana dia goavana ny andraikitry ny CES, satria tsy teknika fotsiny fa tsy maintsy misy lafiny ara-politika tsy maintsy dinihana tsara, mialoha ny hanapahan-kevitra. Hanapa-kevitra amin’ny hoavin’ny firenena ity fitsarana manokana momba ny fifidianana ity, ary hotsarain’ny tantara amin’ny fanapahan-keviny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.