Politique

Ankolafy Ravalomanana Tsy manao « Ultimatum » fa mila fanazavana


  • Talata 29 Jolay 2014

Amin’ny faha-20 aogositra izao dia fanirian’ny CRN miaraka amin’ny FFM sy FFKM, raha maharesy lahatra ny fitondram-panjakana ry zareo, ny hanao fihaonambem-pirenena. Ho anay ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly, raha te hanao izany ry zareo dia angatahanay tsy hatao zanak’Ikalahafa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana

Tsy ekenay ny fanomezana fanasana ofisialy azy nefa ao ambadika tsy homena ny pasipaorony  na holavina indray ny fodiana eto an-tanindrazana. Raha ny resaka aely amin’ny haino aman-jery hoe manao « ultimatium » na fampitandremana ny fanjakana amin’ny tsy fampodiana ity filoha teo aloha ity foana ny Ankolafy Ravalomanana dia ambarako mazava, hoy ny Kestora Guy Rivo Randrianarisoa, fa resaka raharaham-pirenena ity ka tsy misy velively izany. Napetraka fotsiny hoe : homeo valiny izahay ny amin’ny lalàna tokony hataontsika rehetra hanaovana ny fampihavanam-pirenena, fa izahay mbola manohana ny fanjakana tsy manao tsikera fa manolotra tolokevitra hanatsarana ny fitantanana ny firenena eto amintsika. Ankehitriny izahay dia ao anatin’ny fanaovana tatitra ny fivoriana ara-potoana farany teo amin’ny vahoaka. Ny fanontanian’ izy ireo dia ny fampodiana an-dRavalomanana. Izay no mahatonga anay nametra-panontaniana koa amin’ny fitondram-panjakana hoe : omeo valiny marina izahay amin’ny zavatra tahaka izany fa manjary mandainga amin’ny vahoaka ? Ka rehefa tsy mazava ny resaka manjary mifandona izahay sy ny vahoaka ary mifandona koa izahay sy ny fitondram-panjakana ka aminay ny fiaraha-miasa dia tokony ho fitia mifamaly. Efa nentin’ny Ankolafy Ravalomanana ny  fanekena ny fandresen’ny kandidà Hery Rajaonarimampianina, ny fanomezan-toky fa hiaraka hifanampy  hahafahana mivoaka amin’ny fahantrana, nametraka ny fanirian’ny fitondrana ny hahamaro an’isa ka niditra tao amin’ny PMP na dia iray ihany aza ny minisitera azo. Na dia ireo zavatra telo loha ireo monja aza anefa dia efa nanahirana be tamin’ny sain’ny olona nifidy anay ka tsy tokony handeha ila ny raharaha fa mila jeren’ny filoham-panjakana ny filan’ny Ankolafy ho takalon’ny torohevitra madio manampy ny fitondram-panjakana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT