Tsy tafiditra teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo indray, ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy 12 mey teo satria vao maraina dia efa nibahana ny fidiriana ao amin’ny kianja ny Emmo-Reg.
Tamin’ny 9 ora maraina tany kosa no nanomboka hita tetsy sy teroa teo Ambohijatovo, Ambatonakanga ary Andohan’Analakely ny andian’olona, hita ho efa mivonona ny hiditra ao amin’ny Kianjan’ny demokrasia, saingy mbola miandry ireo mpitarika. Tamin’ny 12 ora teo ho eo no nanomboka nihamaro ny olona teny Ambohijatovo. Ora iray sy sasany taorian’izay no nigadona teny ireo Parlemantera vitsivitsy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, nahitana an-dry Zafilahy Stanislas sy Guy Maxime Ralaiseheno samy mpikambana ao amin’ny CT ary Rtoa Naike Eliane sy Rakotovazaha Zazarivelo Parson mpikambana ao amin’ny CST. Nanomboka ny tsoka kiririoka sy ny horakoraka, dodona sy maika ny hiditra tao an-kianja ny olona koa dia niroso nanoloana ny vavahady i Zafilahy Stanislas sy Guy Maxime Ralaiseheno mba hifampiraharaha tamin’ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy naharitra dimy minitra akory ny fifampiresahana. Hentitra ny Emmo-Reg fa dia tsy mahazo miditra ao amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny ankolafy Ravalomanana satria tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna amin’izany. Tsy niady hevitra firy fa tonga dia nanaiky ireo Parlemantera mirahalahy ary nitarika ny olona hiverina eny amin’ny Magro, nanaraka azy ireo moa ny Emmo-Reg. Nisy tamin’ireo mpitolona no diso fanantenana ka nimenomenona tamin’ireo mpitarika. Ambohijatovo fa tsy Magro no nifanarahana, hoy izy ireo, ka aza fitahana tahaka izao izahay. Niroso ihany anefa ny dia. Tsikaritra ho nizara roa ny olona, nisy ireo tonga dia nizotra tany amin’ny Magro nanaraka ireo mpitarika, teo kosa ireo nijanona teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nikasa ny mbola hiverina teny Ambohijatovo. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpitarika fa dia nanamafy fa Magro ihany aloha, fa ny alahady vao hifampitaona indray eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nisafidy ny tolona am-pilaminana rahateo ny ankolafy Ravalomanana.
Maro be ny resaka nivoaka tamin’iny sabotsy iny, maro dia maro koa ny paikady amin’ity fanaovana politika ity, koa dia ho hita miandalana eny ihany ny tena marina. Na izany aza, anefa dia tsy kivy ireo Zanak’i Dada fa tsy maintsy manohy ny tolona ary tsy maintsy tafody eto i Dada no sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.