Politique

Ankolafy Ravalomanana Tsy handray anjara amin’ny fifidianana


  • Alakamisy 21 Martsa 2013

«Tsy handray anjara amin’ny fifidianana na filoham-pirenena na solombavambahoaka isika raha tsy tonga any Madagasikara aho».

 Hentitra ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana, omaly, raha niditra mivantana an-tariby avy any Afrika Atsimo nandritra fivorian’ny mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana tetsy Bel’air. Tamin’izany no nitondrany fanazavana mikasika ny fipetraky ny toe-draharaha manoloana ny fampiharana ny tondrozotra sy ny toerana misy ny ankolafy Ravalomanana tarihiny. Mbola nohamafisin’ny filoha Marc Ravalomanana hatrany fa tsy misy afaka misora-tena toa voatango, na manondro tena na hitonona kandida amin’ny anaran’ny Ankolafy raha tsy tonga eto Madagasikara ny tenany.

Raha misy manao izany any, hoy izy dia amin’ny anaran’ny tenany manokana. Raha misy ny fitsidiham-paritra ataonareo, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana dia tsarovy fa noho ny politika ankapoben’ny ankolafy Ravalomanana izay mahaliana ny vahoaka, ary noho ny tsy fahampian’ny vaovao any amin’ireny faritra ireny dia tonga maro izy ireo. Tonga tamin’ity fihaonana ity avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, tarihin’ny lehiben’ny delegasiona eto Madagasiraka, Mamy Rakotoarivelo. Nanao antso avo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ny Ankolafy Ravalomanana teo anatrehan’izany fa “tsy mandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena na solombavam-bahoaka raha tsy tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana”.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT