Politique

Ankolafy Ravalomanana Tsy handefitra manana ny rariny


  • Alatsinainy 27 Mey 2013


 “Nandritra ny efa-taona isika no niady ny hamerenana ny tany tan-dalàna, ny hamerenana an’i Dada an-tanindrazana, nanohitra ny mpanongam-panjakana, nanohitra ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary ny fanavotana ny firenena amin’ny filazana ny marina sy tsy nanaiky ny tsindrihazolena. Izao tonga ny fanirian’ny Malagasy, nivaly ny tolona natao, dia asaina manala ny firotsahan-kofidiany indray ny Renintsika, ny Renin’ny Malagasy. Tsy isika manana ny rariny indray no handefitra lava eto”. Izay no nambaran’ireo mpitarika sy vondrona samy hafa sy ireo mpandrindra rezionalin’ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina nandritra ny hetsika nataon’izy ireo teo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ny faran’ny herinandro teo.

Nasiaka mihintsy aza ireto Zanak’i Dada Toamasina ireto nilaza fa “tsy izay tian’ny zatra nanjanaka sy ny voanjony hatao eto amintsika no tsy maintsy tanterahina. Matoa tsy mety milamina ny raharaha, matoa misy ireo fanambarana samy hafa mikasika ny kandidantsika, ary matoa misy mitady hevitra tsy hahavitan’ny fifidianana noho ny tahotra an’i Neny, dia ireo zatra ny manao ny politikan’ny frantsafrika sy ireo saribakoliny eto. Isika indray tsy mihemotra izany, fa mitohy hatrany ny diantsika satria tsy nanao ratsy teto amin’ny firenena isika”. Mila maneho isika fa miray hina ary vonona ny hiroso, ka ny tanjona dia lany amin’ny safidim-bahoaka Malagasy i Neny.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT