Nanapa-kevitra ny tsy hihaona tamin’ny Dr Leonardo Simao, araka ny fanasan’ity farany, ny ankolafy Ravalomanana.
Omaly alakamisy 18 aogositra, tamin’ny sivy ora maraina, no voatondro hisian’io fihaonana io teny amin’ny foiben-toeran’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana eny Andraharo. Teny nahitsy, tsy nivilivily no nanazavan’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona avy amin’ity ankolafy ity, raha namory mpanao gazety tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana, izy ireo omaly nilaza fa “Tsy handany andro amin’ny Dr Leonardo Simao”. Ity farany izay tondron’izy ireo ho “misoloky andraikitra” amin’ny fanambarana sesilany ataony, izay mampisavorovoro ny saim-bahoaka Malagasy sy ny tontolo politika amin’ny ankapobeny, ka vao maika aza mampihisatra ny famahana ny krizy. Nokianin’ny ankolafy Ravalomanana koa ny filazan’ity Mozambikana, mpikambana amin’ny ekipa mpanelanelana avy amin’ny SADC ity, fa tsy kitihina intsony ny governemanta fa io no izy.
Aminay, hoy i Mamy Rakotoarivelo dia aorian’ny fanaovan-tsonia farany ny sori-dalana no hananganana ny rafitra rehetra ao anatin’ny tetezamita sy ny fanendrena ny olona ao anatin’izany. Ka miandry ny fampiharana ny fanapahan-kevitra efa tapak’ireo filoham-pirenena tany Sandton izay antenain’izy ireo fa horaisin’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nivory any Luanda ny 17 sy 18 aogositra ny momba izany. Ny diniky ny samy Malagasy kosa, amin’ity ankolafy ity, no hifanaraka amin’ny fomba hanatanterahana izany. I Manandafy Rakotonirina no nanampy fa efa zava-dehibe ny nilazan’i Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana ny tsy tokony hanaovana fifidianana kaominaly sy rezionaly alohan’ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana, saingy tokony hanambara ofisialy koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC fa tsy manankery koa ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010 sy ny lalampanorenana ambara fa ananganana ny Repoblika faha-4. Aminy dia mila alamina aloha ny tetezamita, vao manangana Repoblika !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.