Politique

Ankolafy Ravalomanana Tsy hanao valifaty izany


  • Alatsinainy 04 Martsa 2013

Tonga maro tao amin’ny Kianjan’i Magro ny mpandala ny ara-dalàna ny sabotsy teo. Samy liana ny hahazo vaovao momba ny fivoaran’ny toe-draharaha, indrindra ny momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana mianakavy.

 Taratry ny tsy fetezana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ao amin’ny FAT ny NOTAM vaovao, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy Randriamamizafy Ignace. Voabaikon’ny Tale jeneralin’ny ACM ny minisitry ny fitaterana, hoy izy. Raha valifaty no ilaina, araka ny fanazavana ihany dia tsy ny ankolafy Ravalomanana no hanao izany fa olon-kafa. Ny tantara no hitsara. Mandalo ihany ny fahefana sy ny fitondrana ary ny filoha Marc Ravalomanana tsy maintsy mody, hoy ny CT Randriamamizafy Ignace. Raha milaza isika fa tsy mahavita azy ny SADC, hoy ity mpanao politika dia toromarika avy amin’nyfiloha Ravalomanana ny hanampiana ny SADC. Mila mamondrona ny hery, araka ny fanazavana ihany satria mijaly loatra ny Malagasy amin’izao krizy izao. Nohamafisin’ny CST Rakotomanjato Rodin izany. Tsy maintsy mihetsika isika, hoy izy satria mafy ny fahoriana mianjady amin’ny firenena.

Manoloana ny zavatra natao an-dRtoa Lalao Ravalomanana moa dia fanontaniana no napetrany sao tsy ilaina ilay atao hoe fitoniana eto amin’ny firenena ? Mifanohy amin’izay ihany moa dia tsotra ny resaka, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. “Première dame iny ka tsy hisy hanaiky izany eto”. Niaiky ihany ilay Tale jeneralin’ny ACM na dia niezaka nanda mafy aza tamin’ny voalohany fa avy aminy ny taratasy. Nilaza koa io Tale jeneraly io, araka ny fanazavana fa raha mbola izy no ho eo dia tsy hisy zotram-piaramanidina ‘commercial’ afaka hitondra ny fianakaviana Ravalomanana. Nilaza tena ho ambonin’ny rehetra manko ity tompon’andraikitra ity. Nohamafisin’ity mpisolovava ity fa tsy maintsy tonga eto Rtoa Lalao Ravalomanana. Ny foto-pahalalahana no nitsahina ka tompon’antoka amin’izany ny FAT, indrindra fa ny Tale jeneralin’ny ACM.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT