Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny fiompiana, Ihanta Randriamandrato, teny Antsahavola ny ambasadaoro frantsay François Goldblatt sy ny mpanolotsaina ara-toekarena ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, ny zoma 04 aprily 2013.
Niompana tamin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara sy ny tontolon’ny fiompiana no votoatin’ny dinika nandritra izany. Nohazavain’ny minisitry ny fiompiana tamin’ny tatitra nataony fa tsy mbola lavorary ny fanomanana ny fifidianana kasaina hotanterahina atao ho ato. Ireo antony lehibe sady fototry ny fanatanterahana ny fifidianana no tsapa fa tsy mbola tomombana ka heverina fa tsy ho ara-dalàna izay fifidianana tiana hotanterahina.
Ara-politika indray dia mbola betsaka ny sakana ho amin’izany noho ny tsy fanajàna ny fanatanterahana ny voarakitry ny tondrozotra toy ny tsy fampodiana ny teratany Malagasy an-tsesitany noho ny antony ara-politika izay voatanisa ao amin’ny andiny faha-20, anisany ny Filoha Ravalomanana, ny tsy famoahana ny gadra politika tsy ankanavaka toa ireo miaramila manamboninahitra maro, ny tsy fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay nanenjehana sy nanagadrana mpanao gazety marobe rehefa tsy manohana ny fitondrana, ny fanafahana faobe, etsy andanin’izay ihany koa ny dinika samy Malagasy ho karakarain’ny FFKM ny 18 aprily ho avy izao ary ny rafitra isam-paritra ho an’ny CENIT. Marihina fa ny ankolafy Ravalomanana dia nanao sonia ny tondrozotra sy nanaiky ny tsy filatasahan’ny Filoha Ravalomanana koa heverina fa tsy ekena ny amboletra raha tena fifidianana eken’ny rehetra no tian-katao satria izay no ahafahana mivoaka amin’ny krizy, indrindra mbola ny HCC efa lany andro indray no mbola hitsara ny voka-pifidianana. Ho an’ny ambasadaoro frantsay kosa dia naneho ny fahavonana ny tenany hiezaka hitady vahaolana mba hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao, izay marihina fa tsy nambarany ny fomba ahatongavana amin’izany.
Anjara biriky
Teo amin’ny sehatry ny fiompiana kosa dia notsindrian’ny minisitra Ihanta Randriamandrato tamin’ireto solontenan’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara ireto fa mitana toerana lehibe eo amin’ny fivelomana sy fiharian’ny tantsaha Malagasy ny fiompiana. Mpiompy ny 80 isan-jaton’ny Malagasy ary asa mandritra ny taona ny fiompiana koa heverina fa tsy maintsy tohanana mba ahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fiompiana sy hampandrosoana ny fari-piainan’ny tantsaha satria dia ny sehatry ny fiompiana no fitaovana iadiana amin’ny fahantrana eto Madagasikara. Koa nangataka ny ministry ny fiompiana mba ho anjara birikin’ny ny governemanta frantsay ny tsy maintsy hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa amin’ny alalan’ireo sampana misahana fampandrosoana (AFD-UE …) satria dia niompana betsaka ho an’ny sehatry ny fambolena ny tetikasa nampiharina teto Madagasikara ka lasa ankilabao ny sehatry ny fiompiana izay miahy ny fiarovana ny sakafo sy ny mpanjifa.
Nanambara ireto mpiandraikitry ny masoivoho frantsay ireto fa hijery akaiky izay azony ataony ry zareo ka ho fanombohana izany ny hanatrehan’ny ministeran’ny fiompiana ny fivoriambe manerantany karakarain’ny “Organisation Internationale de Santé Animale” izay hotontosaina any Paris manomboka ny 26 mey 2013. koa mandritra io fihaonambe io no handinihana ny fihaonana eo amin’ny minisitry ny fiompiana Malagasy sy frantsay, araka ny fanirian’ny minisitry ny fiompiana Malagasy, etsy an-danin’izany dia fomba iray ahafahana mitrandraka famatsiam-bola mikasika ny fikarakarana ny fahasalaman’ny biby, ny fomba hanamafisana ny fanohanana ny vehivavy eny ambanivolo ary ny fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny famokarana amin’ny sehatry ny fiompiana ny fanatrehana ity fihaonambe eo amin’ny lafiny fahasalaman’ny biby ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.