Politique

Ankolafy Ravalomanana Toliara “Tapitra ny fiala-nenina”


  • Talata 17 Aprily 2012


 “Mitifi-tena ny FAT sy ny mpiara-dia aminy raha nandany samirery ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka iny, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana an-jambany“, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy, mpitarika ny TIM Toliara sy ny ankolafy Ravalomanana Faritra Atsimo Andrefana. Nilaza ity CT ity fa “main’ny afo natsangany ankehitriny i Andry Rajoelina sy ny firongony ary diso paika tanteraka ny handetika an-dRavalomanana satria tsy mila amnistia ity filoha teo aloha ity fa ny andininy faha-16 sy 20 amin’ny tondrozotra dia ampy azy“. Nambarany fa adinon’izy ireo tanteraka ny foto-kevi-dehibe ho an’ny amin’ny fampihavanam-pirenena. Ny antony nitakianay ny famotsoran-keloka dia tsotra ihany “dia ny momba ireo miaramilan’ny FIGN sy BANI Ivato nogadraina miampy ireo sivily any am-ponja izay raharaha taty aorian’ny taona 2009, mba hisian’ny fitoniana“. “Afa- nenina izahay izao ary tsy te hiray tsikombakomba amin’ny tsy maty manota ireto, ka izany no antony nivoahanay ny efitrano“, hoy hatrany i Tsianihy nanohy ny fanazavany. Inoanay sy Antenainay fa “tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto amintsika amin’ity taona ity raha ny endriny nandaniana iny volavolan-dalàna iny no zohina. Raha hifamela dia aoka hifamela ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana sy fifandimbiasam-pahefana fa tsy hitondra soa ho an’ny firenena ny valifaty “.

Fanesoana : Nasiany tsindrim-peo nanokana ny momba ny nividianan’ny FAT ilay fiaramanidina Airbus A 340-300. Hentitra ny lehilahy nilaza fa “fanesoana sy fandatsana ny vahoaka Malagasy mitrongy vao homana izay sahirana mitady ny vary hohaniny isan’andro ny nividianana ilay voromby “ELATRA” izay efa antitra sy konka”. Nilaza moa ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa “raha tena sahy marina i Andry Rajoelina dia mirotsaha ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena fa vonona tanteraka ny ankolafy Ravalomanana hanolotra ny filoha Marc Ravalomanana hifanandrina aminy, ary “1er tour dia vita””.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT