Hamboly korontana eto Madagasikara raha io ambasadaoro vaovaon’i Frantsa tonga eto amintsika io, hoy ny mpikambana TIM Atsimo Andrefana sy Ankolafy Ravalomanana nivory maimaika tao amin’ny foiben-toerany tao Besasavy Toliara ny zoma teo.
Hisy ny fifofoana ny ain’ny prezidà Marc Ravalomanana raha tonga alohan’ny fifidianana eto izy raha adika ara-bakiteny ny tenin’ity ambasadaoro ity. Manoloana ny fizirizirina sy fitompoan-teny fantatra amin’ny filazana fa hiteraka korontana ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana mialoha ny fifidianana, hoy ry zareo avy any Toliara ireto, dia tokony hanambara ampahibemaso an’ireo olona naniraka sy niresaka taminy an’ity hevitra naposany ity Atoa Goldblatt. Tsy eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana izao, manjaka ny asan-jiolahy sy dahalo ary fandrobana an-drenivohitra ka hatrany ambanivolo rehetra any noho ny tsy fisian’ny fitoniana eto.
Atahoran’ity ambasadaoro frantsay ity sy ireo mpiray petsapetsa aminy ny hisehoan’ny marina rehetra rehefa miverina eto Madagasikara ny prezidà Marc Ravalomanana, hoy ny feo heno tao Toliara io zoma io. Manamafy sy manizingizina ny TIM sy Ankolafy Ravalomanana Toliara ary ny vahoakan’Atsimo Andrefana, araka ny fihaonan’ny mpitarika tao Besasavy ny zoma 8 febroary, hoy ny hafatra azo, manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena sy ny tetiandro vaovao navoakan’ny CENIT noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika, fa tsy mampaninona izany raha toa ka tena hitondra fitoniana ho an’ny rehetra. Fa ho anay, kosa hoy ny fanazavana fanampiny, dia ny fifidianana filoham-pirenena no mialoha ny fifidianana parlemantera.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.