Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina «Tsy hifaly anaty fahoriam-bahoaka izahay»


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

«Aza lany andro hanatitra ny fanasana aminay amin’ny fety izay hokarakarainareo FAT ireo, na nandray anjara amin’ny fiaraha-mitantana ny governemanta sy ny Parlemanta aza no misy izao, satria tsy mety aminay ankolafy Ravalomanana ny hifaly ao anatin’ny fahoriam-bahoaka na koa hanao fety ao anatin’ny fahantran’ny Malagasy».

 Izay no nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, nandritra ny fifampitana vaovao sy ny hetsika fanaon’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina isaky ny sabotsy, ao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V. Nohamafisin’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita namany koa izany, ka nilazan’izy ireo fa  «tonga dia amboary dieny izao ny fandaharana ny seza, sao ho banga fotsiny eo ny natokanareo ho anay, ka hitsanga-menatra eo ianareo satria tsy hiatrika izay fetinareo ao anatin’ny vahoaka sahirina sy mahantra mihintsy izahay Zanak’i Dada Toamasina».

Ankilan’izany dia nomarihan’ireto ankolafy Ravalomanana Toamasina ireto fa «tsy hisy zavatra handeha eto raha tsy tafody eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana, ary na hitety izao tontolo izao amin’ny fisehoana ivelany fa filoham-panjakana aza i Andry Rajoelina, tsy hisy fifidianana hoeken’ny rehetra izany koa eto raha tsy mandray anjara ao anatiny Atoa Ravalomanana. Noho izany, izay no mahatonga anay ankolafiny mitaky fa raha tiana hitony sy hanao fety ara-dalàna ny Malagasy ao anatin’ny fetim-pirenena, dia tsara ny fampihaonana an-dRavalomanana sy Rajoelina alohan’ny 26 jona ity». Ankoatra izay, dia mikasa ny hanomana fety manokana ho an’ny mpomba ny ankolafy Ravalomanana eo an-tokotanin’ny Magro ireo mpitarika azy ity, ny talata 26 jona.


Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT