«Izay toromarika omen’ny filoha Ravalomanana ihany no arahantsika mpiray ankolafy aminy sy ny vahoaka mpanara-dia azy ary ireo mahatsapa ny soa vitany teto amin’ny firenena.
Aza manaiky rebireben’ireo antso sy fitaka aparitaky ny olona ankehitriny, satria manana ny foto-kevitra itondrany ny tolona ataontsika ny filoha Ravalomanana». Izay no nambaran’ny mpandrindram-paritry ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, Me Rasamimaka Mahefalahy, nandritra ny fihaonana fanao isan-kerinandron’ny ankolafy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V. Nambarany fa fitakiana milamina amin’ny fanarahana ny lalàna sy fifampidinihana no ataontsika.
«Hitondra fanjakana isika rahampitso, noho izany tsy ao anatin’ny fihetsika ataontsika ny fanonganam-panjakana sy fanaovana herisetra na koa ny hampisy ady amin’ny samy Malagasy eto». Nomarihan’ireo CT sy ny CST tonga nandritra ity hetsika fanaon’ny ankolafy Ravalomanana isaky ny sabotsy ao Toamasina ity, fa miandry ny toromarika avy any amin’ny filoha Ravalomanana izy ireo, na hotapahana amin’izay ny fiaraha-mitantana, na hotohizana izany ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Feno herintaona amin’ity volana jona ity no nidiran’ny ankolafy Ravalomanana indray tao amin’ny Magro Tanambao V rehefa nosakanan’ny mpitandro ny filaminana hatrany tsy hihaona tao ny taona 2009 sy 2010. Nampatsiahivin’ireo CT sy ny CST ireo, fa sarotra ny lalana nahatafidirana teo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ity, nefa «noho ilay finoana nananana, dia nilefitra ihany ireo mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraiki-panjakana ao Toamasina. Anisan’ny tonga niatrika ny hetsika ny sabotsy teo koa ny ankolafy Ravalomanana avy any Brickaville.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.