Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina « Tompondakan’ny lainga ny Fat »


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

« Ela ny ela fa ity fitondrana FAT ity no voalohany eran-tany amin’izany fitondrana mataho-behivavy izany. Vehivavy roa tsy hanakorontana fa tonga noho ny resaka fianakaviana sy hamangy an-janany ary hijery ny reniny, dia ireny toa mandroaka olon-dratsy ireny no natao azy ireo. Diso miseho mahay miteny loatra ka fatoran’ny vava no niafarany, hany ka tompondakan’ny lainga eran-tany ny FAT » , izay no nambaran’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana tao Toamasina, nandritra ny fihaonan’izy ireo isan-kerinandro eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.

 « Vao roa andro no nilazany fa tsy mila fampiasan-kery intsony izao fa mila fahendrena, dia ireny fampiasan-kery amim-behivavy ireny ny fahendrena nasehony ho hitan’izao tontolo izao, satria zava-nitranga tao anaty seranam-piaramanidina sy mbola ao anatin’ny sisin-tany », hoy hatrany ireto ankolafy Ravalomanana Toamasina ireto naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny zava-nitranga. Nolazain’izy ireo hatrany koa fa « efa tsy ny filoha Ravalomanana intsony no olana amin’ny FAT fa ny fianakaviany mihitsy, hany ka foronina avokoa izao resaka tsara lahatra rehetra izao. Tsy adala akory ny vahoaka mahita ny zava-misy ka hofahanana vaovao masiso lava , nefa ny vaovao manitra sy marina mbola betsaka ».

Tsy nilaza ny hetsika ataony anefa ireto ankolafy Ravalomanana ao Toamasina ireto, na betsaka tamin’ny mpiara-dia amina aza no niandry izany. Ny hany nambaran’izy ireo fotsiny dia ny hoe « na fanonganana aza no nataon’ny FAT antsika sy nahatonga izao krizy nampahantra ny Malagasy izao, dia am-pehendrena sy anaty lalàna hatrany no hitondrantsika ny tolona satria efa akaiky ny farany ary efa manao ny tsipaky ny miala aina ny FAT matoa miafina ao anatin’ny fampiasan-kery sy mampiasa ny herim-pamoretana toy izao ». « Isika tsy matahotra ny farany, satria tsy nanao ratsy. Ny ara-dalàna ihany no izorantsika, fa aleo hanao izay faraheriny eo ireo fa tsy hankaiza akory, satria ny hery tsy mahaleo ny fanahy », hoy hatrany izy ireo namarana ny hafany ho an’ny vahoaka sy ny mpanara-dia azy ireo eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT