Nanao ny hetsika fanaony isaky ny faran’ny herinandro eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny ankolafy Ravalomanana Toamasina.
Niova kely koa ny tamin’ny sabotsy teo, satria nanam-bahiny avy amina fikambanana efatra mpanohana ny filoha Ravalomanana avy eto Antananarivo izy ireo, anisan’izany ny fikambanan’ny very asa eto amintsika. Nasiaka avokoa ireo nandray fitenenana, izay nisy sahy nilaza mihitsy fa «Remenabila tsy azo sy tsy sahy samborina, ka ny Dadanay hody avy no savaina ao ambany sezan’ny fiaramanidina». Ny Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia niezaka nampita ny vaovao mikasika ny tena anton-dian’ireo delegasion’ny ankolafy Ravalomanana tany Afrika Atsimo farany teo, ka nilazany fa «ny fanomanana ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana sy ny fandaminana ny eto an-toerana amin’ny fanomanana ny filatsahany hofidiana ary ny fiverenany hitantana ny Tiako I Madagasikara indray mba hiverina amin’ny heriny teo aloha ny antoko, no lahadinika tany». Nomarihiny hatrany anefa fa «kanosa sy saro-tahotra ary mpiatsaravelatsihy ny milaza azy ho mpitondra ireo.
Taiza no nisy teto ambonin’ny tany, raha tsy hoe mpampihorohoro iraisam-pirenena ka henjehin’ny fitsarana iraisam-pirenena, no hisavana fiaramanidina hatrany ambany seza sao miafina any ny filoha Ravalomanana. Mbola faritra iraisam-pirenena ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Aorian’ny fahavitan’ny fanamarinana ny pitsopitson’ny antontan-taratasy eo amin’ny seranam-piaramanidina vao tsy iraisam-pirenena intsony koa misy sahady izany ny fandikana ny lalàna iraisam-pirenena amin’ny fitaterana ana habakabaka nataon’ny FAT». Ankoatra izay dia fantatra koa izao fa tafajoro ara-dalàna ao Toamasina ny «Fikambanan’ny zokiolona manohana an-dRavalomanana». Natao hampita ny tena fitiavan-tanindrazana amin’ny tanora sy mpanolotsaina ny ankolafy ary anisan’ny mpanentana sy mpandrindra ny hetsika rehetra ataon’ny ankolafy Ravalomanana ireo zokiolona mpikambana ao anatin’ny fikambanana ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.