Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina Navadika ho «Quartier Général» ny foibe Tiko sy MBS tao Ambodisoanambo


  • Talata 28 Mey 2013

Tontosa ny sabotsy tolakandro teo ny fanadiovana ny toerana nisy ny foibe Tiko sy ny MBS tao Ambodisoanambo Toamasina, hatao «Quartier Général» ny ankolafy Ravalomanana Faritra sy Distrika Toamasina voalohany sy faharoa ary ny komity mpanohana.

 Efa natolotry ny TIKO azy ireo ny toerana, araka ny fanazavana nomen'ny tompon'andraikitra voalohany, ny CST Rasamimaka Mahefalahy, ka izao niroso izao ny fandaminana sy fanadiovana ity toerana ity, izay efa saiky nanjakan'ny tsy mataho-tody mandroba sy mamotika fananan'olona satria, na ny varavarana na ny vavahady vy, dia efa samy nisy nangalatra avokoa, ankoatra izay ireo seza sy latabatra sisa tavela tao amin'ilay onjam-peo dia samy efa nisy nibata sy tsy tao avokoa. Hotohizana ny alarobia izao ny fandaminana sy ny fanadiovana rehetra ary horaisina andraikitra manomboka izao ny fiambenana ny toerana, hoy ireo tompon'andraikitra hatrany. Mbola hitohy hatrany etsy ankilan'izany ny hetsika isaky ny sabotsy fanao ao amin'ny Magro Tanambao V.

Fanja 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT