Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina Nampitandrina mialoha ny hisarahana


  • Talata 10 Aprily 2012


 Nanao hetsika fanaony isan-kerinandro teo an-tokontanin’ny Magro Tanambao V ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, notarihan’ny mpandrindra ny ankolafy, dia ny CST Rasamimaka Mahefalahy sy ireo mpitarika ny fikambanana sy ny antoko miara-dia amin’ny ankolafy rehetra, isan’izany ny MFM sy ny TEZA ary ny TIM Ravalomanana. “Tena mahatsikaiky mihintsy ireto FAT ireto, ny mekola indray no manameloka ny tsy meloka”, hoy ny CT Iandro Robertson (Solamena) nandritra ny laha-teniny. Namafisin’ny CT Jules avy amin’ny Teza koa fa “raha ny famotsoran-keloka dia tsy mila an’izany ny filohanay. Ho an’ny FAT sy ny ekipany ary ny mpiara-dia taminy nanao ny fanonganam-panjakana ny famotsoran-keloka”. Atoa Rangitason mpandrindra ny Mfm Toamasina kosa dia nanainga mihintsy ny vahoakan’i Toamasina amin’ny tolom-panafahan’ny MFM, fa “Ndao ! Tsy misy izany fitondrana hozongozonin’ny MFM izany ka tsy hidaraboka.

Nefa noho ny tondrozotra dia nandefitra isika kanefa izao arirarira indray noho ny FAT sy ny ekipany mihevitra azy ho fetsy noho ny Malagasy rehetra”. Nahitsy kosa ny teny nataon’ny CST Rasamimaka Mahefalahy, izay nilazany fa “samy nianatra lalàna isika ka aza mifamahan-dalitra mihintsy. Misy manao lalam-poza ny FAT ka manova ny zavatra efa tapaka sy ny nifanarahana ary mitady hanao amboletra fotsiny amin’ny hoavin’ny firenena. Efa nambaranay fa tsy hiditra hivory mihintsy ny ankolafy Ravalomanana eo anivon’ny Parlemanta rehetra, raha tsy efa tonga ireo mpahay lalàna avy amin’ny SADC mivory miaraka aminay ao ary manazava amin’ny antsipirihany ny mikasika iny fehiteny nataon’izy ireo”. Raha izao anefa no mitohy, ka “tsy mamaly ny antsonay ny mpahay lalànan’ny SADC, dia voatery hisintaka tanteraka izahay ankolafy Ravalomanana rehetra, dia tsy maintsy hisy olana ara-mpitantanan-draharaham-panajakana eto amintsika”, dia ho hita eo ny tohiny sy fahaizan’ny FAT mitondra tena irery eo. “Matoa izahay nanaiky hiditra tamin’ny fiaraha-mitantanana dia fanehoanay fa tsy ny ankolafy Ravalomanana na ny filoha Ravalomanana no sakana amin’ny famahana ny krizy taorian’ny fivoahan’ny tondrozotra nekenay ny nanao sonia azy”, hoy hatrany CST Rasamimaka Mahefalahy namarana ny laha-teniny tao amin’ny Magro Tanambao V.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT