“Kanosa ny mpanao politika Malagasy, ka misy mitady tany malemy hanorenam-pangady fotsiny”. Izay no nambaran’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, nandritra ny hetsika fanaon’izy ireo isaky sabotsy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.
Nametra-panontaniana manoloana izay ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. “Fa inona mihitsy no atahoran’ireto mpanao politika FAT ireto ny filoha Ravalomanana … olona tsy mbola tonga eto an-tanindrazany akory no dia hatahorana toy izao”, hoy izy. Ambaranay mazava fa tsy maintsy mody ary tsy maintsy kandida Atoa Ravalomanana, satria ny firenena sy ny Malagasy ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mihintsy no mila azy.
Nanamafy ny voalazany ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita isany, Iandro Robertson sy Justin Rakotoarimanana fa na inona lazain’ireo olona tsy tia sy kanosa ireo, na hanao ny fomba rehetra hanakanana ny tsy hiveran’ireo sesitany politika tsy fidiny noho ny hetraketraky ny miaramila ireo, dia tsy maintsy ho tonga eto tsy ho ela ny filoha Ravalomanana.
Nahitsy ny tenin’izy ireo fa tsy azo ekena izany ‘Ni…Ni’ izany, raha sahy dia ny “samy mirotsaka” no tokony hataony, ka anjaran’ny vahoaka andriamanjaka no mifidy izay hitany fa mendrika hitondra azy any amin’ny tena fampandrosoana sy hanala azy ao anatin’ny fahantrana. Ny mahagaga ankehitriny, dia matahotra mafy ny fitiavan’ny Malagasy ny filoha Ravalomanana ny FAT sy ny mpiara-dia aminy ary ireo mpanao politika kanosa, ka ny fanilihana ireo mpifaninana atahorana mba hahazoana toerana ‘mora’ no ataony sasany,hoy hatrany ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina ireto. Nahazo baiko hitety Distrika izy ireo manomboka izao, hampahafantatra ny tena marina mikasika ny raharaha politika misy sy hanomana ny fiverenan’Atoa Ravalomanana an-tanindrazana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.