Nidina nanatevina ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana Toamasina tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny sabotsy 21 jolay tolakandro ny antoko TEZA notarihan’ny filoha nasionaliny, Rakotoamboa Jean Louis.
Nandritra ity fihaonana ity no nilazan’ity farany fa «andrasantsika ampitoniana ny fampihaonana ny filoha Ravalomanana sy Atoa Rajoelina hatao any Seychelles ny talata sy ny alarobia izao. Fomba farany hahafahan’i Andry Rajoelina manavotra ny fahefany sy tsy maintsy hodian’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana io». Manoloana ny resabe mandeha mikasika ny firongatry ny asan-dahalo sy ny fanondranana omby dia nilaza ny filoha lefitry ny antoko Teza kosa, Atoa Andriamanana William, fa «fitondrana tompondaka raha hanendrikendrika olona ity. Ny governemanta Camille Vital no nanokatra ny fanondranana omby teto amintsika fa tsy ny minisitra Zanak’i Dada mihitsy».
Nohamafisiny ihany fa «Bizina mandeha ho an’ny fanjakana io saingy tratra ny nafenina dia mamorona mba hanavotan-tena». «Isika Malagasy no tena voa mafy ao anatin’ity halatr’omby ity, satria ny 99%-n’ireo omby hanintsika eny an-tsena ireo dia omby halatra diovina ara-taratasy fotsiny», hoy hatrany Atoa Andriamanana William. Ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ny Faritra Atsinanana kosa, dia nanainga ny mpiara-mitolona sy ny Malagasy rehetra ny mba tsy hiroaroa saina mikasika ilay fitoriana sy fiakarana fitsarana an’i Marc Ravalomanana nankalazaina tato ho ato iny. «Heloka tsy eken’izao tontolo izao ny fanagadrana olona sy famoahana didy olona tsy meloka sy lotoina toy ny natao an’ny filoha Ravalomanana ireny, ho hitantsika eo ny hanaovana azy tsy ho ela, fa tsy folaka akory isika izao fa mandefitra, ary efa ho lany ny herin’ny fandeferana ankehitriny», hoy hatrany ireto mpitarika ny ankolafy Ravalomanana tao Toamasina namarana ny fanazavany sy ny hafatra nentiny ho an’ny Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.