Politique

Ankolafy Ravalomanana “Toa be galona tsy azo ianteherana ny antsika”


  • Alatsinainy 25 Jona 2012

“Tsy misy ankolafy Ravalomanana hanao matso izany ny talata izao, na nohalalahana aza ny fahazoan’ny antoko sy ny fikambanana ary ankolafy politika, handray anjara mandritra ny matso”.

 Izay no nambaran’ireo mpitarika sy ny mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, raha nanao ny hetsika fanaony isan-kerinandro eo an-tokotany ny Magro Tanambao V izy ireo ny sabotsy teo. “Toa be galona tsy azo ianteherana ny eto amintsika. Firy izay nakarina ho jeneraly izay tao anatin’ny telo taona ny FAT, nefa izay dahalo sy andian-jiolahy mpangalatra omby mamono ny Malagasy sy mangalatra ny hany mba fananany indray ity, tsy resy sy fa ifampiraharahana indray”, hoy ireto ankolafy Ravalomanana ireto. Midika izany, hoy ny Me Rasamimaka Mahefalahy fa tsy sahiny ny manenjika azy sao hivoaka eto ny marina. Nokianin’izy ireo koa ny fety be ataon’ny FAT eto Antananarivo efa telo herinandro izao, nefa milaza fitsitsiana ary tsy nomena ny anjarany ny faritra hafa, nefa volan’ny Malagasy rehetra no ampiasaina amin’izany. “Atsangano ny sainam-pirenena fa tsy ny FAT no hanaovantsika izany, fanehoantsika amin’ireo frantsay mitady hanjanaka antsika amin’ny alalan’ny FAT sy ny ekipany ireo, fa mahaleotena ary vonona hiaro ny tanindrazantsika isika”, hoy ireto ankolafy ireto namarana sy nanafatra ny mpiara-dia aminy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT