Politique

Ankolafy Ravalomanana Teny amin’ny 13 mey


  • Alarobia 02 Mey 2012

Diabe namakivaky ny 13 mey ! Io no anisan’ny nanamarika ny andron’ny 01 mey 2012.

 Tsy hetsika sendikaly toy ny fahita rehefa fetin’ny asa anefa no nitranga fa dia hetsika politika fampisehoan-kery nataon’ny ankolafy Ravalomanana. Niala ny Magro Behoririka ny zanak’i Dada, notarihin’ireo parlemantera nahitana ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Me Hanitra Razafimanantsoa, Manandafy Rakotonirina, Ralaiseheno Guy Maxime, Rasoamalala Odette Brenda sy ny maro hafa omaly tolakandro ka nihazo an’i Soarano ary namakivaky ny Kianjan’ny 13 mey niaraka tamin’ny sorabaventy avy eo niverina tao amin’ny Magro Behoririka. Tao anatin’ny fahavononana sy fahasahiana tokoa hiatrika izay miseho no nanatanterahan’izy ireo izany. Santatra ihany iny, nakanaka rivotry ny kianjan’ny 13 mey izahay, hoy i Mamy Rakotoarivelo nanazava io hetsika io nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nataon’ny ankolafy Ravalomanana tetsy Ampandrana omaly tolakandro.

Nitranga izany taorian’ny toraka grenady lakrimôzena nataon’ny Emmo-Reg tamin’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana raha nikasa hanao tatitra tamin’ny vahoakan’Antananarivo tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny sabotsy 28 aprily 2012. Namory avy hatrany ireo mpiara-dia aminy tao tetsy amin’ny Magro Behoririka ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo io sabotsy io ary nanome toromarika. Nanomboka teo dia vory maro be hatrany ny zanak’i Dada, ary dia miverina amin’ny heriny ny Magro. Hentitra sady mazava ny tenin’i Mamy Rakotoarivelo : hiala ao amin’ny Magro ny ankolafy Ravalomanana ary hiverina eny Ambohijatovo, raha ilaina dia ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey na ny kianjaben’i Mahamasina. Mbola mety hitatra hatreny Ambohitsorohitra aza ny diabe. Me Hanitra Razafimanantsoa koa dia nanamarika fa efa tena tafahoatra ny fihetsik’ireo mpitandro ny filaminana ary tena manala baraka ny firenena malagasy mihitsy. Tsy maintsy manapa-kevitra isika, hoy izy fa tsy afaka ny handefitra manana ny rariny tahaka izao intsony. Dia raikitra tokoa omaly. Nivoaka ary dia nisantatra ny kianjan’ny 13 mey ny zanak’i Dada.

“Miala isika”

Ny alatsinainy 30 aprily dia niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo koa Atoa Marc Ravalomanana. Nambarany fa tsy rariny ny fandarofana baomba lakrimozenina ny parlemantera hanao tatitra amin’ny vahoaka, ary efa tena tafahoatra ireny nitranga tamin’ny sabotsy ireny. Mampitsahatra ny fandraisany anjara ao amin’ny fitondrana tetezamita ny ankolafy Ravalomanana, hoy ity filoha teo aloha ity. Izany hoe hiala ao anaty governemanta ireo minisitra, hiala ao amin’ny parlemanta ihany koa ny mpikambana CT sy CST rehetra ka tsy handray anjara amin’ilay fivoriana ara-potoana voalohany manomboka omaly. Mampitsahatra ny fandraisany anjara amin’ny fivoriana rehetra atao amin’ny CENIT ihany koa ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana, ka andrasana aloha izay hambaran’ny SADC, dia ho hita eo ihany ny tohiny. Mazava ny resaka eto fa dia tapa-kevitra ny hiroso amin’ny dingana manaraka mafimafy kokoa amin’ny fitakiany hampiharana ambongadiny ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana, ary tsy manaiky intsony ny atao haingon-dapa fotsiny. Fito volana izao no voasonia ny tondrozotra nefa tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ireo sesitany politika, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Nampahatsiahy ity farany fa tapa-bolana izay no nandefasan’ny ankolafy Ravalomanana taratasy tany amin’ny SADC miantso ny fandraisan’andraikitr’ity farany manoloana ny tsy fanarahan-dalàna sy fanitsakitsahana ny tondrozotra ataon’ny FAT. Miandry ny valin-tenin’ny SADC izahay, hanao izy sa tsia ?

Fantatray ny tokony hatao raha gidragidra no ifampitondrana eto, hoy i Manandafy Rakotonirina, izay nampahatsiahy omaly fa nihevitra ny hijanona naharitra teo amin’ny toeran’ny Praiminisitra ny jeneraly Camille Vital. Na ilay diplaomaty Mozambikana, Dr Leonardo Simao, nirahin’ny SADC hanohy ny fanelanelanana teto aza nilaza fa mijanona eo izy, nefa dia niendaka vao voasonia ny tondrozotra. Andrasana izany izao izay hataon’ny SADC amin’i Andry Rajoelina, hoy i Manandafy Rakotonirina. Tsy niolaka ity farany nanondro an’i Andry Rajoelina ho sakana amin’ny fampiharana ny tondrozotra. “Izy no nanongam-panjakana teto, ary mbola izy koa no voasazin’ny iraisam-pirenena fa tsy izahay”, hoy i Manandafy Rakotonirina. Nanamafy ny ankolafy Ravalomanana fa naneho finiavana politika izy ireo tamin’ny nanaovany sonia ny tondrozotra ka nidirany tao anaty tetezamita mba hamahana ny krizy mianjady amin’ny firenena noho ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009. Maro ny fiala-nenina natao, saingy rehefa tena hita fa tsy mety ilay izy dia izao nanapa-kevitra ny hisintaka tsy handray anjara amin’ny fivoriana samihafa, na eo anivon’ny Parlemanta, governemanta ary ny CENIT izao, ry zareo satria tsy te hiray tsikombakomba amin’ny fanapotehana ny firenena sy famitahana ny vahoaka. Tandindomin-doza toy izany koa ny fiaraha-mitantana, satria ankolafy tokana sisa no ao anatin’ny tetezamita.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT