Politique

Ankolafy Ravalomanana Tapitra ny fiala-nenina


  • Zoma 13 Aprily 2012

Fiala-nenina iny natao iny, hoy ireo mpikambana eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay nivoaka ny trano fivoriana teny Tsimbazaza omaly.

 Tapitra izany fiala-nenina izany, hoy Ralaiarison Justin ka tonga amin’ny tsotsorimamba hisarahana. “Lehilahy ianareo raha hahavita fifidianana eo”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime ka “aza mitsoaka rehefa tafaverina eto ny filoha Ravalomanana”. Ho an-dRalaimpisainarinony Manoela moa dia mazava ny resaka, «na inon-kidona, na inon-kihatra dia rehefa hifamela dia mifamela, raha tsy izany dia mahatatesa valin-kitsaka». Nafampana ny teny amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

Nitondra fanazavana tamin’ny fihetsika nataony, dia ny fivoahana ny tranom-pivoriana ireo mpikambana CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy tahotra akory izany, araka ny fanazavan-dRandriampilamanana Rostand satria matoky “valeur” izahay. Nambarany fa hitadiavana fitoniana amin’ny hitondrany rahampitso ny ankolafy Ravalomanana. Tsy vonona amin’ny famelan-keloka izany ireo vondrona hafa raha ny tazanay tao aoriandrianan’ny efitrano fivoriana tao, hoy ny CT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato fa isika tsy maintsy mandresy hatramin’ny farany. «Tsy tianay hahazo azy ireo ny nahazo anay tany am-ponja satria rehefa tsy hifamela dia hifandimbiasana ny figadrana», hoy Randrianantenaina Olivier José avy any Antsirabe. Ho an’ireto CT ireto moa dia tsy hijanona ny tolona raha tsy tonga eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Tetsy andanin’izany dia notsiahivin’i Constant Raveloson fa dia “nofantsihan-dRajoelina teny am-pamarinana Antananarivo”. “Nataony martiora sy navarimbariny noho ny fitiavan-tenany Antananarivo”, hoy ihany izy. «Tereny izahay hanaiky fa azo atao tsy maty manota ny fandoroana olona.

Marary anay ny namantsihana an’Antananarivo ary mbola marary lavitra ny hoe hita vatana ny fanitsakitsahina ny zon’olombelona. Tsy ekenay ho tsy maty manota amin’ny heloka bevava nataony teto Antananarivo i Andry Rajoelina», hoy hatrany ity mpitari-tolona izay nilaza fa vonona ny hanome amnistia azy (Rajoelina) raha toa ka hanetri-tena amin’ny heloka vitany izy. Nohamafisin’i Constant Raveloson fa tsy natao ho an’ny fampihavanam-pirenena, araka ny dradraina ilay amnistia fa ho an’ny fampiadiam-pirenena. Ankoatra izay dia notsiahivin’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanilas fa “miandrandra fihavanana sy fandriampahalemana matoa izy ireo niditra ao antain’io rafitra io ka nanaiky ny sori-dalana”. “Tsy hitondra soa ho an’ny firenena ny valifaty”, hoy ihany izy. Tsy hihemotra intsony ny ankolafy Ravalomanana fa vonona hitsangana hatramin’ny farany. “Vonona ny hanao vy very ny aina ireo mpitarika”, araka ny fanazavany. Niantso ho amin’ny fanambarana ny hery moa ireo mpikambana eo anivon’ny Magro satria manomboka izao dia “vaky ny ady”.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT