Politique

Ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert Tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina ihany


  • Alarobia 23 Novambra 2011

«Miroso any amin’ny lalana heverintsika sy takiantsika ny tolona dia ny tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina”, hoy ny depiote Camille Mektoub omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Magro.

 «Isika tsy miditra anaty lamasinina satria isika tsy miaraka amin’ny olo-maloto ka hanadiovana an’i Andry Rajoelina», hoy ihany izy nanohy. Nohamafisin’ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity fa anisan’ny fitakiana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana sy ireo sesitany politika. Efa ho avy eto rahateo ny filoha Ratsiraka rahampitso alakamisy, araka ny fanamafisany, ka raha izao fandehan-javatra izao dia hiroso amin’ny fihaonan’ireo filohana ankolafy isika tsy ho ela. Mangataka amin’ny Troika koa ny tenany mba handray fepetra, araka izay voafaritry ny andininy faha-32. Mitohy ny tolona ho amin’ny fahamarinana, hoy izy ary hihamafy izany. Tsotra moa ny resaka ho an’ingahy Edouard Tsarahame, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Raha nanome modely ho an’ny mpanao politika sy ny Malagasy i Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo, hoy izy dia heverina fa ny fahendrena tsara indrindra dia ny fialany. Izay ihany no hahatsapana fa tia tanindrazana sy mpanao politika madio i Andry Rajoelina.

Notanisainy avokoa moa ny resaka andramena, ny fitarihana olona handroba sy handoro fananan’olona tamin’ny 2009 sy ny maro hafa. “Diso tafahoatra loatra ny nanaovana ny praiminisitra Beriziky. Rehefa tsy resy lahatra ity farany dia nataon’i Andry Rajoelina an-keriny ny nametraka ireo olona efatra izay tsy mazava ny tena mampifamatotra azy ireo amin’i Andry Rajoelina. Ny sori-dalana rahateo tsy misy milaza fa manana zo na fahefana hanolotra olona ho minisitra i Andry Rajoelina satria tsy nanao sonia ny sori-dalana ny tenany”, hoy ihany i Edouard Tsarahame. Manoloana izany indrindra dia nanambara ity farany fa tsy misy afaka hanantena fankatoavana iraisam-pirenena satria mbola fanapahan-kevitra nandeha irery iny natao iny. “Ampy izay fa tsy fotoanan’ny sangy intsony izao”, hoy ihany izy.

Tetsy andaniny dia nanamarika i Guy Maxime Ralaiseheno fa tsy mbola vita ny ady na dia tapi-dalan-kaleha hatreo aza ireo TIM nivadika sy ny GMMR. Tsy i Andry Rajoelina no hahavaha ny krizy eto, hoy izy. Ohatra akaiky nalainy moa ny famahana ny olana tetsy Behoririka tamin’ny namonoana Sinoa iray ny teratany Malagasy. Ora maro taty aoriana, tsy mbola voafehin’ireo mpitandro ny filaminana ny raharaha. Na inona anefa fanazavana omena, i Andry Rajoelina no nahatonga izao krizy izao, nampihinana maloto ny vahoaka Malagasy sy nampahantra azy tanteraka. Araka ny vaovao moa dia hiaraka hitsena ny Amiraly eny Ivato ny vahoakan’ny Magro rahampitso ho fanehoam-piraisankina eo amin’ny Ankolafy telo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT