Politique

Ankolafy Ravalomanana sy fifampiarahabana taom-baovao, Ho tohizan’i Mahajanga ny fahombiazana teny Amboanjobe


  • Talata 12 Febroary 2013

Anjaranay any Mahajanga indray izao no mba hanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao hoan’ny Ankolafy Ravalomanana any an-toerana, hoy ny CT Dr Randrianandrasana Patrice.

 Ho ampitainay any amin’ny renivohitry ny voninkazo ny fahombiazana hitanay teto Amboanjobe, hoy izy. Tsy ho sarotra ho anay izany satria izahay dia manana ny toerana Magro Mahajanga mahazatra izay midadasika tokoa afahana mandray olona maro dia maro mitovy isa amin’izay hita teto tamin’ity sabotsy 9 febroary ity. Ny anay ny fandaminana, hoy ity mpitarika ny Tiako i Madagasikara any Mahajanga ity, dia efa mahazatra fa zaraina isaky ny tanàna ny anjara omby ho vonoina amin’io fotoana io (ny 2 martsa 2013) ka efa samy mahafantatra ny olony avy ny tsirairay amin’izay. Tsy izahay any Mahajanga irery anefa no hiaraka  hitotorebika  amin’io andro io fa hanasanay ny birao foibe Tiako i Madagasikara sy ny antoko ao anaty Ankolafy Ravalomanana rehetra ity hetsika ity, ary koa ireo fikambanana zanak’i Dada samihafa izay manohy ny tolona tsy tapaka ao amin’ny Magro Behoririka.

Efa nazava ny hafatry ny Filoha Marc Ravalomanana tety Amboanjobe androany (sabotsy 9 febroary), hoy i Dr Patrice, fa ny fampitambarana ny hery no tena ilaina izao hanavotana ny Malagasy tena latsaka an-kateren’ny krizy ary  hamerenana amin’ny tokony ho izy indray ny fampandrosoana efa nimatimatesana taona vitsy lasa izay. Miandry antsika rehetra hiara-hifaly sy hanomana ny fitsenana an’i Dada i Mahajanga manontolo, hoy ny CT Randrianandrasana.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT