Politique

Ankolafy Ravalomanana Sahy ary mahavita azy


  • Sabotsy 20 Jolay 2013

Ho fantatra anio sabotsy ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana manoloana ny don-tandroky ny GIC-M manery ireo kandida 3 mba hisintaka, ary mitaky ny fanovana ny CES.

Efa maromaro ny fikaonan-doha sy fivoriana nataon’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity ankolafy ity tato anatin’ny herinandro izao, nisy ihany koa ny fakana ny hevitry ny mpiara-mitolona manerana ny Nosy, ny fihainoana ny soso-kevitra maro samihafa tetsy sy teroa. Manana ny heviny momba izao raharaha politika eto amin’ny firenena izao ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa nilaza ny heviny tamin’ny GIC-M ny ankolafy Ravalomanana, tsy miova amin’ny hevitray , hoy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo omaly. Rtoa Lalao Ravalomanana ihany koa dia efa niteny mazava fa izy no kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ka tsy hisy ny fanendrena kandida hafa.

Tsy vahiny amin’ny setrasetran’ny Frantsay raha ity ankolafy ity satria efa niaina izany nanomboka tamin’ny 2001, ka tsy aty amin’ny 2013 indray vao hipararetra amin’izany. Karazana fombafomba sy fanambarana amin’ny fomba ofisialy amin’ny mpiara-mitolona etsy amin’ny Magro fotsiny izany ny fahitana ny hetsika anio, satria efa mazava ny fanapahan-kevitra fa kandida i Neny. Fifidianana filoham-pirenena no atrehana voalohany ary tsy maintsy tafody eto Madagasikara i Dada. Matanjaka ary tena mbola manana fototra manerana ny Nosy ny ankolafy Ravalomanana, manana vina sy fandaharanasa hampandrosoana haingana an’i Madagasikara, ary manana olona ampy fahalalana sy fahaizana ary traikefa amin’ny sehatra rehetra, mba hampihatra io fandaharanasa io.

Izay no antony handraisany anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena, fa tsy fitiavana hahazo fahefana fotsiny. Misy vondron’olona eto tsy tia ny handrosoan’ity firenena ity, tsy mankasitraka ny hisokafan’ny masom-panahin’ny Malagasy, ary tsy manaiky hoe : misy Malagasy, mahavita zavatra ary mahatarika ny mpiray tanindrazana aminy hiasa mba handresena ny fahantrana. Efa manana ny paikadiny ny ankolafy Ravalomanana matoa sahy mijoro hiatrika ireo mbola te hanjanaka indray an’ity Madagasikara ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT