“Misy farany ny tsy fahamarinana izay voarakitry ny soatoavina Malagasy, manaova ny marina hatrany. Ny mpanao ny marina, tsy mba matahotra ny farany”.
Izay no hafatra tamin’Atoa Marc Ravalomanana nentin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa tao Toamasina, nandritra ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy 14 jolay 2012. Taorian’ny fitantarany ny toe-java-misy sy ny raharaha politika eto amin’ny firenena, dia nambaran’ity filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ity fa “tena misy manampahaizana mpanimba ny firenena sy ny fandrosoan’i Madagasikara mihitsy eto amintsika. Voakaraman’ny mpanjanatany izy ireny ka tsy misaina ny hoavin’ny taranany raha tsy ao anatin’ny rendrarendra sy ny mamiratra ivelany”. Nomarihany anefa fa “tsy misy tsara noho ny “fifanarahan’i Maputo” natao teto, satria iny no tena nametraka an’i Andry Rajoelina ho mpitarika ny tetezamita, nefa tsy nekeny sy nahodiny tamin’ny fahaizany azy niaraka tamin’ireo saribakolin’ny Frantsay tao ambadikany.
Tsy mahagaga raha mikatso ny raharaha, nefa tsy misy ny vahaolana raha tsy ny fihaonan’izy mianaka ihany amin’ny fandaminana ny raharaha misy hahafahana miroso amin’ny fifidianana marina sy madio ary mangarahara atao angoan-tenda io”. Nomarihiny ihany koa anefa fa “tsy mbola mitombina avokoa ireo daty voalaza ho fihaonan’izy roa nivoaka hatreto. Mbola any Addis Abeba miatrika ny fanasan’ny Vondrona Afrikanina ny filoha Ravalomanana izao, ka ho hita eo ny daty hivoaka sy ny toerana hanaovana ny fihaonana, izay irintsika sy ny Malagasy hatao eto Madagasikara izany”. Ho an’ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy kosa, dia “tsy hisy fifidianana ho vanona eto raha tsy afa-mirotsaka ny filoha Marc Ravalomanana”, satria ny tanjontsika sy fanirian’ny Malagasy araka ny nambarany dia ny “fodian’ireo sesitany politika rehetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana sy ny firotsahana hofidiana indray mba hampahalalantsika an’izao tontolo izao, fa mbola tian’ny Malagasy izany Ravalomanana sy ny fandrosoana nentiny ho an’ny fireneny izany”. Na ny CST Leriva Manahirana na ny CT Iandro Robertson na ny CT Voizy Blandine na ny CT Justin, dia samy nilaza avokoa fa “na iza tsy faly, na iza ho vinitra, ny filoha Ravalomanana dia tsy maintsy miverina an-tanindrazana ary mirotsaka hofidiana”. Nanisy resaka mikasika ny asa ataon’ny FAT ao Toamasina koa ireto Parlemanteran’ny tetezamita “Tsy ho olana ho an’ny ankolafy Ravalomanana ny fanatsarana ny tanànan’i Toamasina mampiady ny samy mpiara-dia amin’ny FAT io, ny an’ny ankolafy dia mazava hajao ny tantara, ny soatoavin’i Toamasina ary ny rafitra efa tsara napetraka”, hoy hatrany izy ireo namarana ny fanazavany sy ny kabariny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.