Sarotiny ary saro-piaro amin’ny tolona nimatimatesany ireo vahoaka mpanara-dia ny ara-dalàna.
Telo taona latsaka kely izao, na orana na hainandro na ririnina dia tsy nitsahatra ny tolona hitakian’izy ireo ny fiverenan’ny ara-dalàna. Tsy nahasakana azy ireo ny lakrimôzena sy ny vono natao azy ireo ary tsy nampihena ny hafanam-pony ho amin’izay tolona hiverenan’ny filoha Ravalomanana izay ny fisiana mpamadika palitao maro be nivoaka tao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Rariny loatra, araka izany raha toa ka mifamarafara satria efa betsaka ireo zavatra hita sy niainana, ary tsy maintsy sarotiny amin’izay najorony ireo vahoaka. Samy nilokaloka àry ireo mpitarika voatendry ho mpikambana amin’ny CT sy CST fa dia samy hanao izay tratry ny ainy amin’ny fanatanterahana ireo tanjona telo napetraka dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanalalahana ireo haino aman-jery. Ireo lasa ao amin’ny governemanta no tsy mbola nandrenesam-peo hatreto.
Tsy manana fahavalo ao anaty ankolafy ireo mpitarika raha ny fanazavana fa ny fahavalo iombonana dia i Andry Rajoelina sy ireo nanongam-panjakana niaraka taminy. Vonona hiala izy ireo rehefa tsy mifanaraka amin’izay toromarika nomena azy ny zavatra hatao eo anivon’ny Parlemanta. Izay fialana izay dia midika ho famotsorana ny fankatoavana iraisam-pirenena satria porofon’ny tsy fiaraha-mitantana sy tsy fanilihana. Fantatra koa moa fa rahampitso dia hivory handinika ny raharahan’i Madagasikara indray ny Filankevitry ny fandriampahalemana na ny CPS eo anivon’ny vondrona Afrikanina sy ny Groupe International de Contact na ny GIC. “Tsy hamitaka amin’ny zavatra nifanarahana izahay”, hoy Randrianjatovo Henri.
Tsy dila amin’ity herinandro ity, araka ny fanazavana dia ho hita eo ny lalan-komban’ny ankolafy Ravalomanana. “Miandry ny toromarika avy amin’ny filoha izahay”, hoy kosa i Leriva Manahirana izay nanamarika fa raha nivory ireo olom-boatendrin’ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy lasa teo dia nisy ny fifanarahana nosoniavin’ny tsirairay milaza fa ny isam-batan’olona voatendry dia hanaja ny toromarika sy ny fepetra rehetra tapaky ny ankolafy Ravalomanana, ary indrindra hanaja izay toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana. Nambaran’ity depioten’i Brickaville ity fa ny ekipa tafiditra amin’izao tetezamita izao dia tsy mitovy amin’ny ekipan-dRaharinaivo Andrianatoandro na Yves Aimé Rakotoarison fa ekipa manaraka ny fitsipika ary miezaka mampitovy ny tadindon-kanga isan’andro. Mila fifampatokisana, hoy izy ny tolona iaraha-manana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.