Naneho ny heriny ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina.
Nisy ny diabe niainga teo anoloan’ny fiangonana St Paul Mangarivotra, nitety Fokontany sy Boriborintany ary lalana maro tao an-tanàna nataon’izy ireo nialoha ny nihazoany Kianja mitafon’i Soavita, izay hipoka tanteraka ary voaravaka ny sarin’i Marc Ravalomanana tamin’ny sabotsy teo, nandritra ny fihaonana nokarakarain’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. Nandritra izany no nanamafisan’i Mamy Rakotoarivelo, fa vonona ary handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny ankolafy Ravalomanana izay manana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, kandida filoham-pirenena, satria matoky ny marina sy ny rariny ary ny vahoaka Malagasy efa leon’ny nampahantraina tao anatin’izay efa-taona izay. Niantso ireo mpiara-dia ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, mba ho mailo sy hanamafy ny fanaraha-maso manoloana ireny mazia mazia ataon’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana.
Nahitsy ny tenin’i Mamy Rakotoarivelo fa “tsy anaovana sinema tahaka izao ny vahoaka Malagasy sy ny fiainam-pirenena”. Nanamafy izany koa i Botozaza Pierrot, fa “tsy fananan’olom-bitsy, mpivarotra ny harem-pirenena i Madagasikara, ka mila sahy miteny ny tsy rariny”. “Tsy mijanona isika amin’ny tolona raha tsy rava tanteraka ny fanjakan’ny mpangalatra nanimba ny firenena sy nampahantra ny vahoaka”, hoy izy. Nohamafisina tao Soavita fa mety amin’ny ankolafy Ravalomanana ny zava-misy ankehitriny satria i Andry Rajoelina mihitsy izao no nandrava ny “ni…ni”, izay midika fa afaka mody tsy voafatotry ny fifanarahana nifanaovana intsony ny filoha Marc Ravalomanana. Mikasika ny fifidianana solombavambahoaka ho avy ka dia miainga ifotony ny safidy ka izay eken’ny mpikambana sy mahavita ary afaka tena hitondra ny hetahetam-bahoaka sy ny vondrona no kandida harotsaka amin’ireo fifidianana hifandimby, amin’ny anaran’ny vondrona “Zanak’i Dada”. Marihina fa dia nilamina ny lanonana, izay nomanin’ny komity manokana notarihan’ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy izay nandritra ny hetsika rehetra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.