Nihazo ny foiben-toeran’ny biraom-pifandraisan’ny SADC, teny Ivandry, omaly antoandro ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, notarihin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo.
Hanatitra taratasy fitarainana momba ny fanosihosen’ny FAT ny sori-dalana sy nanaitra ny SADC handray andraikitra no foto-dia tamin’izany. Teo imason’ny rehetra no nanoloran’i Mamy Rakotoarivelo izany taratasy fitarainana izany. Tonga maro teo an-tokontanin’ilay tranobe misy ny birao rahateo ireo zanak’i Dada nanotrona ireo mpitarika azy. Raha ny fanazavana manko dia efa im-betsaka ity ankolafy ity, ary tsy izy irery ihany, no nanao fitarainana tamin’ny SADC ny amin’ny tsy fanarahan’i Andry Rajoelina sy ny mpomba azy ny sori-dalana saingy tsy misy valiny avokoa izany hatreto. Koa rehefa be nanao marenina ny SADC dia tonga namoha azy tamin’ny torimasony ny ankolafy Ravalomanana, ary hita ho nikoropaka.
Talohan’izao hetsika izao mantsy dia nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin’ny Kongresin’ny tetezamita Tsimbazaza sy tetsy amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Anosikely, ny ankolafy Ravalomanana tsy nandray anjara tamin’ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Omaly, rehefa azon’ny solontenan’ny SADC ilay taratasy fitarainana natolotry ny ankolafy Ravalomanana dia nisy dinika fohy tanaty efitra nifanaovan’ny roa tonta. Raha ny fantatra dia amin’ny zoma ho avy izao no hanome ny valin-teniny ny SADC. Hisy fivoriana hatao atsy Afrika Atsimo amin’io andro io. Niatrana teny Ivandry ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg. Nizotra am-pilaminana ny hetsika, tsy nisy ny fifandonana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.