“Na manao ianareo Troika na tsy manao ! Be dia be ireo tatitra nalefa tany amin’ny Troika kanefa tsy nisy valiny.
Noho izany dia voatery hampihantona ny fiaraha-miasa ao anatin’ireo rafitra rehetra ny ankolafy Ravalomanana, izany hoe ny fampihantonana ireo 92 notendrena ho minisitra, CT ary CST”. anisan’ny teny hentitra nentin’ny ankolafy Ravalomanana teo anatrehan’ny delegasiona avy amin’ny Troika-SADC izany ny alatsinainy lasa teo, araka ny tatitra nataon’ny CST Leriva Manahirana. Antsasakadiny teo no naharetan’ny fihaonana ary tatitra an-taratasy matevina sy mazava no nomena ireo delegasiona vahiny. Hanao tombana ny fampiharana ny tondrozotra no foto-dian’ireto delegasion’ny Troika ireto, izay nahitana mpitsara sy miaramila avy amin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy fiarovana.
Tetsy andaniny dia nasian’ny CST Rakotomanjato Rodin resaka ny momba ny fahasalaman’ny kolonely Charles Andrianasoavina. Nambarany fa raha tsy ny ankolafy Ravalomanana no nanetsika ny fikarakarana ity manambonihitra ity dia tsy nisy nihetsika ny rehetra, indrindra ireo eo anivon’ny fanjakana. Momba ny toeran’ny praiminisitra Beriziky kosa dia nambarany fa “tsy nomena andraikitra ny praiminisitra fa fihinin’ny tandapa sy Andry Rajoelina ny andraikitra sy ny fahefana”. Tsy mahagaga raha toa ka mikorontana ambony ambany ny eto amin’ny firenena. Takiana, hoy ny CT Guy Maxime Ralaiseheno ny hanesorana ny minisitry ny fitsarana sy ny polisim-pirenena.
Efa ho tapa-bolana latsaka kely izao no tsy mety voavaha ny olana ary toa vao mainka aza mihahenjana izany. Lalana hirosoana amin’ny fandravana izao fanjakana tsy izy izao no misy ny tolona, raha ny fanazavana ary tsy fotoanan’ny fatoriana na koa fihalangalanana izao fa fotoanan’ny fandraisana andraikitra. Ankoatra izay dia nahazo valin-kafatra avy tetsy amin’ny Magro koa ry zareo AV7. Nahitsy sy nivantana ny resaka : “Mampitandrina ny AV7. Hitsena ny dadanay no anton-dianay eny Ivato ka raha hila ady no halehanareo eny dia hifandona eny isika”, hoy ihany ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha ity.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.