Politique

Ankolafy Ravalomanana Nampahafantarina ny mpikatroka ilay tondrozotra


  • Zoma 23 Septambra 2011

Nifampitaona tao amin’ny efitrano malalaky ny Lycée Price Ambolomadinika ireo mpikatroka sy mpitarika isam-pokontany ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ao Toamasina ny alarobia tolakandro teo.

 Feno ny trano, tonga nihaino sy niatrika ny fanazavana natao momba ilay tondrozotra nosoniavin’ny mpitarika politika tao Ivato ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 17 septambra lasa teo, izay milaza mazava ao amin’ny andininy faha-20 fa miverina tsy misy fepetra eto Madagasikara ireo sesitany politika, ka anisany ny filoha Marc Ravalomanana. Natao izao fanazavana izao, hoy ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, mba hialana amin’ny honohono sy tsy hampisinda ny ahiahin’ny mpiara-dia manoloana ny fifamahofahoan’ny vaovao miendrika fandranitana sy fihantsiana ady miseho ankehitriny. Eo anatrehan’izany dia nanamafy ireo fikambanana sy antoko politika mandrafitra ny ankolafy, toy ny MFM sy TEZA Toamasina, fa mitohy ny hetsika ary tsy mijanona ny fitakiana hanorenana tany tan-dalàna sy fametrahana ny ara-dalàna efa nijoroana hatramin’izay izy ireo raha tsy efa migadona eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo sesitany politika maro mbola any ivelany any. Hifamotoana ao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina indray izy ireo rahampitso sabotsy, raha nisy fihatoana kely izany ny sabotsy teo.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT