Politique

Ankolafy Ravalomanana Mivonona haka depiote maro an’isa ao Atsinanana


  • Talata 14 Mey 2013

Tahaka ireo antoko sy vondrona politika ary fikambanana samy hafa dia ao anatin’ny fanomanana ny fihatrehana ny fifidianana solombavam-bahoaka ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina.

 Misy rahateo ny fametrahana rafitra isaky ny Distrika hiatrehana izany sy ho fanomanana ny fanohanana ny kandidan’ny ankolafy, Rtoa Lalao Ravalomanana. Nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy mitarika ny fandrindrana ny rafitra ao amin’ny Faritra Atsinanana dia havory ireo mpiara-dia sy ireo mpanohana rehetra ary ireo mpikamban’ny ankolafy Ravalomanana ao MAVAM ny alarobia sy ny alakamisy ho avy izao, ho fampitam-baovao sy ho fandrafetana ny rafitra hitantanana ny fisafidianana ireo kandidan’ny ankolafy isaky ny Distrika amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka, sy ny fametrahana rafitra tsara paika amin’ny fanohanana an’i Neny. Na izany aza dia “tsy azo ikoropahana ny fametrahan-kofidiana depiote ny ankolafy Ravalomanana.

Mila ifampierana avokoa ny mpikambana sy ny ny mpiara-dia rehetra mba hanana kandida hahavita sy ho lany avy hatrany”, hoy ny mpandrindra rezionaly. “Ny tanjonay dia ny handrobaka toerana solombavam-bahoaka be indrindra eo anivon’ny Faritra Atsinanana, sy ireo toerana roa eo anivon’ny Distrikan’i Toamasina I”, hoy hatrany ny Me Rasamimaka Mahefalahy. Nampiomana ireo mpiara-dia aminy ho mailo sy ho vonona lalandava ny tenany fa tsy kely lalana ny ratsy. Nitaona ireo zanak’i Dada hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana sy hanao izay hananana kara-panondrom-pirenena ihany koa fa tsy ho variambariana mba ho tompon’andraikitra marina izy ireo ny androm-pifidianana fa tsy hanao safidy an-jambany fotsiny, hoy hatrany ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana nanentana ireo mpiara-dia aminy ny sabotsy teo.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT