Politique

Ankolafy Ravalomanana Mivoaka mpandresy


  • Zoma 10 Mey 2013

Rehefa natao ny kajy rehetra dia karazan’ny nivoaka mpandresy aloha hatreto ny ankolafy Ravalomanana.

 Naharitra ny tolona. Nisy ny kivy dia nisitaka na namadika palitao ireo tsy nahari-pery saingy amin’ny ankapobeny dia mbola matanjaka ity ankolafy ity. Manana olona ao anatin’ireo rafitra rehetra misy ao anatin’ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana. Mbola tena manana fototra mafy manerana ny Nosy, ary azo antoka fa hahatafiditra solombavambahoaka, Loholona maro dia maro. Tsy ho ambanin’izany koa amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Miara-manaiky koa ny rehetra fa tena matanjaka eo amin’ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena ny ankolafy Ravalomanana, satria raha tsy izay dia efa ela no resy manoloana ny teti-panorona nataon’ny Frantsay sy ireo miaraka aminy. Henjana ny fananjehana sy fanakianana nezahana natao tamin’ity ankolafy ity, saingy tsy dia nampiraika firy ny vahoaka izany, ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy izay, mahatsapa tsara fa niasa ary nahavita zavatra tsara betsaka ho azy sy ho an’ny firenena ny fitondrana Ravalomanana.

Tsy ny vahoaka no tsy tia an’i Marc Ravalomanana fa ny mpanao politika sy ny vondron’olona sasantsasany, indrindra fa ireo saribakolin’ny mpanjanantany fahiny no nialona azy tamin’ny zavatra vitany ka nandrafitra paikady handrodanana ny fitondrany, dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nitranga tamin’ny 2009. Efa-taona aty aoriana, ny hendry dia nahay naka lesona tamin’ny lasa, manova ny fomba famindra sy ny fomba fiasa ; ny adala kosa dia tsy mahalala afa-tsy ny manaratsy sy manatsatso, manilika ny fahadisoana rehetra any amin’ny hafa foana fa tsy mba manetri-tena manaiky ho diso. Hita fa tombony ho an’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy eo ny ady an-trano mahazo ny ankolafy Rajoelina, sy ny fahasosoran’ny olona tamin’ity tetezamita ity.

Nanaratsy endrika tanteraka ny fitondrana tetezamita ny tsy fahamatorana ara-politikan’i Andry Rajoelina sy ny firoboroboan’ny afera maizina isan-karazany izay naha voatonotonona anarana mpitondra ambony. Efa-taona aty aoriana dia manomboka mazava izao fa be fihavy kanefa mora lefy ny ankolafy Rajoelina. Variana tamin’ny famalifaliana sy fanapena-maso ny vahoaka, sodoka tamin’ny endrika ivelany fa tsy nijery lavitra. Tamin’ny ankapobeny dia nifototra tamin’ny fankahalana an’i Marc Ravalomanana, ny fanilihana azy sy izay miara-dia aminy ny politikan’ny ankolafy Rajoelina. Toa tsy tody hatramin’ny farany anefa izany tetika izany dia efa miova ny zava-drehetra, ka io efa manangasanga io fa mitady ho tafaverina indray ilay naongana, ary hita fa tena mahery sy matanjaka aok’izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT