Politique

Ankolafy Ravalomanana Mitohy ny hetsika ao Toamasina


  • Alatsinainy 19 Martsa 2012

Nanao hetsika teo an-tokotaniben’ny Magro Tanambao V ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy 17 martsa teo.

 . Nanotrona izany CT Ralaiseheno Guy Maxime. Notsaroana tamin’izany ny nahavoatery an’Atoa Marc Ravalomanana mianakavy niala an-tanindrazana nihazo an’i Afrika Atsimo, telo taona lasa izay, noho ny fifofoana ny ainy. Teo koa ny fanombohan’ny fahoariam-bahoaka sy ny fitotongan’ny toekarena ary ny fahapotehan’ny firenena, vokatry ny fanonganam-panjakana natao notohanan’ny tafika sy ny “Frantsay”, araka ny nanambaran’ny CST Rasamimaka Mahefalahy azy ihany. Ny CT Ralaiseheno Guy Maxime indray dia nilaza fa anatra ho an’ny tafika izao zavatra iainana nandritra ny telo taona izao. “Ny fientanantsika sy ny fananatsika ny herim-po ho an’ny firenena ary ny fijoroana ho olom-pirenena marina, no ahafahantsika ao anatin’izao fanagejana izao”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT