Politique

Ankolafy Ravalomanana Mitohy ny ady amin’ny ‘Françafrique’


  • Alatsinainy 14 Mey 2012


 Nitohy tahaka ny isan-kerinandro ny hetsiky ny Zanak’i Dada ao Toamasina, eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V. Ny sabotsy teo dia nasiaka ireo mpandray fitenenana nahitana ny CT sy ny CST ary ireo antoko sy fikambanana politika miara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nambaran’ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy fa «mitohy ny adintsika Malagasy amin’ny Françafrique ity, efa nanao izany ny Malagasy sy ny mpianatra malagasy 40 taona lasa, dia naverin’ny rajakom-bazaha eto amintsika indray izany tao anatin’ny telo taona izao, ka mila mihetsika isika». Nomarihiny fa «ady tsy ho vita izy ity, ka mila fahasahiana sy tena fitiavan-tanindrazana marina». Ankoatra izay dia efa tonga ao Toamasina koa ireo fiara 4x4 roa “Emmo-Sécurité” anjaran’i Toamasina. Tsy fantatra na hanenjehana jiolahy mitam-basy mahery vaika sy ny firongatry ny vaky trano ankehitriny izy ity, na atao hanenjehana ny mpanao hetsika etsy sy eroa, tahaka ny hita eto Antananarivo aloha hatramin’izao. Eo isika mahita izy…

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT