Politique

Ankolafy Ravalomanana Miomana tanteraka amin’ny fiavian’ny maherifony


  • Talata 17 Janoary 2012

Tsy dia nisy kabary politika be intsony teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka, omaly, fa manomboka mifantoka amin’ny fanentanana sy ny fiomanana amin’ny fandraisana an’i Marc Ravalomanana ireo lahateny nifandimbiasan’ireo mpitarika.

 . Ho an’ny fahafahan’i Madagasikara sy ny Malagasy, fitambaran’ny zavatra nitolomana rehetra hatramin’izay, eny hatramin’ny fanjanahantany ny tolona telo taona natao teto amin’ny firenena, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno. Fotoana tsy maintsy hitandremana tsara izao dingana izao, hoy izy ary mitaky fahaiza-mihaino na ho an’ny vahoaka na ho an’ireo mpanao politika. Ho an’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana dia eo ny maha olom-pirenena, fa eo koa ireo olom-panjakana. Araka ny fanazavan’ity mpitarika ireo Ben’ny tanàna dia hametraka ny maha olom-panjakana azy ireo izy ireo amin’ny fotoana hahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Eo ireo Ben’ny tanàna, eo koa ireo minisitra sy mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Nanao antso avo amin’ny lehiben’ny mpanatanteraka, dia i Omer Beriziky, mba handray andraikitra manoloana ny fampielezana korontana.

Tsy ny ankolafy Ravalomanana no hamaky tsena, na hanao toetra tsy mendrika, hoy izy fa hitsena ny filoha am-pahitsiana noho ny fitiavany an’i Marc Ravalomanana. Tsy an-kadasitra ary tsy misy resaka fanodinkodinana saim-bahoaka ity fahatongavan’ny filoha ity, hoy i Zafilahy Stanislas nanamafy. Niantso ireo mpitandro ny filaminana ny filoha lefitry ny Kongresy. «Aoka etsia !», hoy izy. «Marary ny vahoaka nandritra izay telo taona izay, ny mangina tsy maty ary tsy folaka fa nandefitra izy. Misy farany ny zavatra rehetra ka sao dia zavatra tsy voahevitra no hiteraka zava-doza ho an’ity firenena ity. Mangataka am-pahendrena aminareo izahay, aleo ho anay mpanao politika ny politika fa ny anareo hatreho ny asanareo dia ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana», hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Raha ny vaovao nambarany dia tsy vitsy ireo miaramila no tsy manaiky hatao fitaovana sy hambolena korontana. Niainga avy amin’ny vahoaka ianareo, hoy ihany izy ka tsy maintsy hiaraka honina amin’ny vahoaka.

Nohamafisiny fa tsy hikorontana ny ankolafy Ravalomanana sy ny vahoaka raha hitsena ny filoha Ravalomanana fa hibanjina kosa ny fanarenana ny firenena. Nanao karazana tamberina ny antony nanonganana ny filoha Ravalomanana moa ity olom-boafidy ity, nilazany fa fialonana sy tahotra no fototr’izany. Na nanana ny hery sy ny fitaovana niadivany tamin’ireo mpanongam-panjakana aza Ravalomanana tamin’izany, hoy izy dia naleony nandefitra noho ny fitiavany an’i Madagasikara sy ny Malagasy tsy hisiana ra mandriaka. Tsy maintsy hivoaka, hoy ihany izy ny marina momba iny raharaha “7 febroary 2009” iny. Araka izany, dia vonona na inon-kidona na inon-kihatra ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Raha ny nambaran’ity farany moa dia na amin’ity talata ity na rahampitso alarobia no hilazany ny daty sy ora hiaviany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT