Politique

Ankolafy Ravalomanana Miomana hiverina eo amin’ny fitondrana


  • Alatsinainy 11 Martsa 2013

Nitohy tany Mahajanga ny fitetezam-paritra ataon’ny ankolafy Ravalomanana ho fanetsehana ireo mpikambana ifotony amin’ny fiatrehana ny fifidianana sady nifampiarahaba noho ny taona vaovao.

Ambohipihaonana tao amin’ny Kianja Magro ny sabotsy 09 martsa teo. Tonga tany an-toerana nitarika ny delegasiona avy amin’ny Foibe avy aty Antananarivo ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana sady sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara Mamy Rakotoarivelo. Nohamafisiny ny fanambarana efa nataon’ny ankolafy Ravalomanana hatramin’izay raha nandray fitenenana izy fa tsy ankasitrahan’ny ankolafy misy azy io tetiandrom-pifidianana io raha tsy miverina eto i Dada. Izany dia ho fampiharana ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra araka ny fanazavany. Toy izay andininy metimety amin’ny sasany ihany sy izay tiany hampiharina ihany no ampihariny, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Alahelony ny tsy amelana azy hiteny ao amin’ny RNM sy ny TVM nefa izy dia lehiben’ny andrimpanjakana. Maika te hahazo fankatoavana iraisam-pirenena ry zalahy dia maika nanao sonia ilay sori-dalana nefa tsy hajaina akory ny ao anatiny. Hatramin’izao tsy mbola misokatra ireo radio sy televiziona nakatona tato anatin’ny krizy. Efa lasa lalàna ny sori-dalana ankehitriny, ka tokony hosazina ireo mandika azy, hoy i Mamy Rakotoarivelo.

 

“1er tour dia vita”

 

Mikasika ny fifidianana ho avy dia matoky ity farany fa hiverina amin’ny ankolafy Ravalomanana ny fitondrana. Hofidintsika ary hatao “1er tour dia vita” izay kandida hatolotry ny filoha Ravalomanana eo. Ho an’i Mahajanga manokana dia “tsy maintsy azontsika ny depiote eto”, hoy izy ka nanentana ireo mpiara-dia aminy izy hiasa mafy hahatrarana izany tanjona izany. Fa niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra ity hetsika ity ny filoha Marc Ravalomanana io sabotsy io. Nambarany fa zava-dehibe ny famondronana ny hery ary matoky an’i Mahajanga izy amin’izany, ka tsy hihemotra na inon-kidona na inon-kihatra. “Tsy matahotra ireny olona namadika palitao ireny isika, ary tsy maintsy mandresy raha misy fifidianana madio”. Nanentana ireo mpanohana azy izy hanamafy ny firaisankina sy ny fifampitokisana fa zava-dehibe antoky ny fandresena sy fahombiazan’ny tolona, hoy izy. Noporofoin’ny zanak’i Dada ao Mahajanga fa noho ny firaisankinan’izy ireo dia efa miverina amin’ny heriny ny Tiako I Madagasikara sy ankolafy  Ravalomanana na teo aza ny fihantsiana, tora-bato nosedrain’izy ireo raha nanao hetsika tao amin’io Magro io. Maika hamarana ny krizy koa izy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT