Somary niova fomba famindra sy paikady politika, hatramin'ny fiandohan'ity taona ity Atoa Marc Ravalomanana.
Niantso fifamelana sy fihavanana, nanentana ny rehetra hifanome tanana ary nanaiky sy nanohana ny fidiran'ireo mpanao politika, na teknisianina miara-dia aminy, ao anatin'ny rafitra tetezamita. Nohamafisiny tsara kosa anefa fa tsy mila famotsoran-keloka ny tenany, satria tsy azo ekena ho manankery ny didim-pitsarana navoaka momba azy. Fitsarana mitanila, tsy mahefa ary tsy mahaleotena mantsy no nitsara azy, araka ny filazany. Nanamafy ity filoha teo aloha ity, ny faran'ny herinandro teo, fa tsy azo ihodivirana intsony ny fampiharana ilay andininy faha-20 ao amin'ny tondrozotra, izany hoe tsy maintsy mody eto Madagasikara ato ho ato izy. Azo atao hoe kihon-dalana iray goavana eo amin'ny ankolafy Ravalomanana ity herinandro ity. Hisy ny fehin-kevitra havoakan’ny SADC, ka inoana fa aorian'izay dia tsy maintsy hisy ny fanambarana hataon'ity ankolafy ity. Na izy ireo mbola hijanona ao anatin'ny tetezamita na izy ireo hiala ao. Andrasana ihany koa ny daty mazava hiverenan'Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana.
Efa fantatra mazava tsara anefa ny hevitr'i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy mikasika izay fiverenan'i Dada izay, ary tsy ela fa vao tamin'ny 6 aprily 2012 teo no nisy NOTAM amin'ny endriny hafakely, naparitaka any amin'ireo kaompaniam-pitaterana vahiny manana zotram-piaramanidina mankaty Madagasikara. Tsy tongatonga ho azy izany, fa mety efa tafiditra ao anatin'ny kajikajy politika isan-karazany ho fanakanana amin'ny fomba rehetra ny fodian'ingahy Ravalomanana eto. Manana ny toerany ao anatin'ny fanatanterahana ny tondrozotra sy ny famahana ny krizy ny ankolafy Ravalomanana ka azo antoka fa hanakorotan-javatra ny mety ho fisintahany. Maro koa anefa no mahita fa tahaka ny tsangan'olona sy haingon-dapa fotsiny ireo minisitra, mpikambana CT sy CST an'ny ankolafy Ravalomanana ao anaty tetezamita ao, ary tsy mety mahafaty baolina. Manao izay tiany ny ankolafy Rajoelina, ary hainy ny nampiasa ny tondrozotra ho amin'ny tombontsoany.
Tsy any amin'ny hoe resy sy maharesy anefa no tena zava-dehibe, fa ny fetezana na tsia ilay fiaraha-mitantana. Raha mety dia nahoana ny misy olana miseho lava ? Raha toa ka tsy mety dia inona ilay tsy mety ? Iza no sakana ? Inona ny olana ? Ahoana ny vahaolana ? Maro no mihevitra fa mila manana fanapahan-kevitra matotra, amin'ity herinandro ity ihany ny ankolafy Ravalomanana, ny amin'ny zavatra hataony fa efa tena ela loatra izay sangodim-panina izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.