Politique

Ankolafy Ravalomanana Mila manambatra hery, hoy i Dr Didi


  • Alakamisy 19 Aprily 2012

Tena misafotofoto be ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hoy i Dr Didi mpitolon’ny ara-dalàna, fa manjaka ny ady toerana ao anatin’ny fikambanana sy antoko politika samihafa misy eto amintsika ary tafiditra ao anatin’izany, indrisy, ny eo anivon’ny ankolafy Marc Ravalomanana.

 Lasa misy fikambanana vaovao miforona izany ao, hoy izy, ary efa nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery fa anisan’ny hanolotra kandidà ihany koa amin’ny fifidianana rehetra ho avy (mazava loatra fa hifaninana amin’ny kandidà TIM sy ireo ao anaty ankolafy rehetra izany). Dia ireo rehetra nisintaka teo aloha ka tsy voaray tao anaty lisitry ny TIM Raharinaivo sy Yves Aimé dia mba nanangana ny azy manokana ihany koa ka nanambara ny hanana ny olona atolony ho fidiana azy ireo manokana. Ireo rehetra ireo anefa, hoy ity dokotera mpitolona ity, dia samy mampiasa ny anaran’ny filoha Ravalomanana avokoa ary milaza fa manohana azy daholo. Ahiana ao anatin’izany ny fisian’ny hevitra fanatsamahana ny mpanohana an’i Dada rehetra ka hisarahan’ny vato arotsaka amin’ny fifidianana.

Manoloana izany rehetra izany dia tsotra ny ahy ny hevitro, hoy i Dr Didi, antso avo ho anareo izay milaza ho ankolafy Ravalomanana ary mbola tia an-dRavalomanana ary nahita soa tamin-dRavalomanana indrindra indrindra (ireo olomboafidy nifandray nivantana taminy tao), apetrao ny ambom-ponareo, ajanony ity matim-bola sy matim-boninahitra ity ka mihavana amin’ireo olona rehetra eny ifotony. Mahatsiarova an’ireo vahoaka nanandratra anareo eo amin’io toeranareo ankehitriny io, mba karakarao izy ireo fa tsy mahafaty anareo ny manimbina am-pahafolon’ny vola raisinareo tsirairay fa aza mitsipa-doha laka-nitana. Misy amin’izy ireo mamonjy ny tolona hatramin’izay ka hatramin’izao tsy mba afaka mandeha fiara fitaterana akory fa mizotra an-tongotra lava izao noho ny fitiavana ny filoha Ravalomanana. Mitorovoka amin’ny tany ireo fa tsy mba mahazo seza tsara tarehy toa anareo eny ambony lapihazo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT