Politique

Ankolafy Ravalomanana Mihamafy ny fitakiana


  • Talata 19 Jona 2012

Hatry ny omaly hariva dia mbola nanamafy hatrany ny tsy handraisany anjara amin'ireo lanonana ofisialy momba ny fetim-pirenena karakarain'ny fitondrana tetezamita ny ankolafy Ravalomanana.

 . Ho maromaro ihany izany ny seza ho banga eny Mahamasina amin'ny 26 jona, satria tsy hanatrika ilay matso lehibe ny minisitra rehetra, ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita sy ireo mpikambana CST sy CT avy amin'ny ankolafy Ravalomanana. Mitaky ny hanatanterahana ilay fihaonana eo amin'Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana mialoha ny fetim-pirenena, sy ny fampiharana manontolo ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana. Koa raha tanteraka ato anatin'ny herinandro izay rehetra izay dia hanatrika ny lanonana eny Mahamasina izy ireo.

Mahatsapa ity ankolafy ity fa i Andry Rajoelina mihitsy no sakana amin'ny famahana ny krizy ary mbola hita taratra any anatin'ny tetezamita ihany ilay fanapahan-kevitr'ankolafy tokana. Lojika amin'ny hetsika efa natomboka izany rehetra izany, fa tsy misy zava-baovao, hoy ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana. Efa nanaitra izahay tany am-boalohany, niroso tamin'ny tsy fanatrehana ny fivoriana tany amin'ny governemanta sy ny Parlemanta, kanefa tsy mbola nohenoina ihany, hoy ny fanazavan'izy ireo. Mbola hiseho amin'ny endrika fitondran'ankolafy tokana ihany izany ny tetezamita amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena, amin'ity taona ity. Mandringa ny tetezamita ary mibaribary ny tsy fifankahazoan-kevitra. Tsy mbola tanteraka ny fampihavanan'ny mpanao politika, ka tsy mahagaga raha mikorontana ao ambonimbony ao. Miha mitombo isa ihany, ankehitriny ireo mihevitra fa tena ilaina ny fihaonana eo amin'i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, satria ny ankolafy tarihan'izy ireo no hita ho tena mbola mifanandrina amin'izao fotoana. Mikatso ny fiaraha-mitantana satria tsy mifanaraka ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, tsy mety tanteraka hatramin'ny farany ny fampiharana ny tondrozotra satria misy andininy mampifanolana ireto ankolafy roa ireto. Hatreto anefa aloha, dia tsy mbola laharampahamehana amin'ny filohan'ny tetezamita ity fihaonana ity, fa mbola hitarika delegasiona ho any Rio de Janiero ny tenany hanatrika ilay fivoriana iraisam-pirenena rahampitso 20 jona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT