Nanao hetsika toy ny fanaony isan-kerinandro teo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ny ankolafy Ravalomanana.
Nandritra izany no nampiomanan’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana Toamasina fa hisy vaovao lehibe amin’ity herinandro vaovao ity. Nohenjehina izahay, hoy ny CST Rasamimaka Mahefalahy sady mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, fa hoe tsy mamonjy fivoriana nefa mandray ny tambinkaramanay. Azony tapahana izany raha tian’ny FAT fa tsy olana aminay, nefa niarahantsika nahita fa izy ireo no maro an’isa eo anivon’ny Parlemantan’ny tetezamita izao, nefa mba firy no mamonjy fivoriana mandray tambinkarama ankehitriny ? Ny anay mazava ny antony tsy namonjenay ny fivoriana, fa ny azy ireo inona kosa ny fanazavana ataony amin’ny vahoaka Malagasy ?
Mikasika ny raharaha TIKO Antsirabe dia nanazava ny Me Rasamimaka Mahefalahy, izy rahateo vaditany, fa resaka halako bika tsy tiako tarehy io, mba hanapotehana an-dRavalomanana. “Tsy mbola nisy fanatanterahana didim-pitsarana amin’ny fanagejana fananan’olona izany, ka tsy ny vadintany tompon-toerana no manao azy fa irony antsoina hoe ‘‘clerc’’ na mpanampy ny vadintany irony fotsiny, midika izany fa misy raha tsy mazava ao”, hoy izy. Ankoatra izay, dia fantatra izao fa misy maka koa ny varimbazaha ao amin’ny Mana Madagasikara, orinasa ao anatin’ny vondrona TIKO, miorina eo anivon’ny seranantsabon’i Toamasina. Ny banky BFV no misahana ny raharaha ary manana ny taratasy fanagiazana izany, nefa hitam-poko hitam-pirenena fa misy maka sy mivarotra izany, na efa simba sy misy bibikely aza. Ho hita eo anefa ny ho tohin’ity raharaha ity satria efa mahalala izany ny mpiaro ny Tiko SA.
Tetsy amin’ny Magro Behoririka, indray dia nitondra fanazavana mikasika ny ho fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, i Manandafy Rakotonirina. Ala nenina io, hoy ity farany, mialoha ny handraisan’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana fanapahan-kevetra. Tsy mbola voafaritra na andro na ny toerana hanaovana ilay fihaonana. Maniry ny hanatanterahana azy io eto Madagasikara anefa ny zanak’i Dada. Ireto farany izay manakiana ny fandanindaniam-bola ataon’ny fanjakana nefa manao be marenina amin’ny fitakiana sendikaly miseho lany amin’izao fotoana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.